DIAKONA SY LOHOLONA

BIRAON’NY FIANGONANA

Naseho teo anatrehan’ny Mpandray fanasan’ny Tompo ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny Biraon’ny Fiangonana nolanin’ny mpihevi-draharaha ny Sabotsy 12 aprily 2025 teo :

Mpitantsoratra 1 : RANDRIAMAMPITOVY Henri.

Mpitantsoratra 2 : RANASIMANANA Rosette

Mpitahiry vola : RANAIVOSON Gidéon

Mpitantsoratra ny vola : RAKOTONIRINA Barinjaka

Mpanolotsaina 1 : RAKOTONIRINA Eugène

Mpanolotsaina 2 : RATOVO Olisson

Commissaire au compte : RATOVOARIMALALA Mbinintsoa Clarc.

Nahazo ny fankatoavan’ny Mpandray fanasan’ny Tompo izy ireo.


Hatramin’ny taona 2003 : tsy nisy ny biraon’ny fikambanan’ny diakona sy loholona teto Betela ; fa ny mpitambola (cotisation-rakitra,) sy mpitantsoratry ny fivoriana ihany no nisy (Rakotofiringa Odette).  

Taona 2014 : Nifidy biraon’ny diakona sy filohan’ny vaomiera, notarihin’ny  Mpitandrina RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa


Ny Firahalahian’ny diakona sy loholona (FDL) dia niezaka mba hampihatra ara-bakiteny ireo Fanekena 7-n’ny Diakona sy Loholona @ alalan’ireo Vinan’Asa isan-taona (Programme d’Action Annuel) eo amin’ireo Sehatra 3 iasana : Servisy – Faritra – Vaomiera.

  Birao taona 2019  :

           -Filoha : RAKOTOMAVO Nosiharimanana

           -Filoha lefitra : RAZAKAMBELO Landry

           –Mpitantsoratry ny fivoariana : RAKOTOFIRINGA Odette

            -Mpitantsoratry ny vola: RAKOTOMALALA Laza Andrifaneva

           –Mpitam-bola: RANIVOMBOAHANGY Vololona

Ny alahady 8 septambra 2020   no nanokana ireo Diakona vaovao hiasa mandritra ny 4 taona rehefa avy niofana nandritra ny 3 volana. Natao isaky ny Faritra 7 ny fifidianana. Nisy ny Komity natrangana nanantanteraka ny fifidianana niaraka tamin’ireo mpianatra Katekomena. 

Taona 2020: miisa 250 diakona ary miisa 50 ireo loholona amperinasa

Ao ireo loholona izay tsy afaka manatanteraka ny asa fa manana zara fanompoana kosa amin’ny fitondrana am-bavaka ny asa tanterahana.