KATEKOMENA

Manana tanjona izy ireo dia ny fanohizana ny asa fitoriana ary indrindra ny famerenana ireo tanora varimbariana hiverina anatin’ny valan’Andriamanitra indray- fampitomboana hatrany ny fifankatiavana sy ny firaisankina eo amin’ny faritra samy faritra sy ny faritra sy ny sampana.

Manomboka ny volana Janoary ny fianarana ary ny volana Desambra ny fanokanana ho mpandray fanasan’ny Tompo.Mety miankina ihany koa amin’ny fandaminan’ny Fiangonana. 

Taty aorina nanomboka tamin’ny nitondran’ny Mpitandrina RAHERIVELO Fidimanantsoa Joseph ny FJKM Betela Tanambao V dia nizara sokajy roa ny fianarana Katekomena :

> Sokajy I : Ireo zay manavao ny fanoloran-tenany, na ireo avy amin’ny fiangonana hafa ao amin’ny FFKM mifindra ato amin’ny FJKM fa efa mpandray ny fanasan’ny Tompo, na ireo tsy nahavita fanadinana tao amin’ny sokajy II. Izy ireo dia mianatra isaky ny Alarobia hariva amin’ny 6 ora. Izy ireo dia raisin-tanana na hatokana amin’ny fankalazana ny Andro Niakarana.

> Sokajy II : Ireo vao manomboka mianatra Katekomena. Mianatra isaky ny Sabotsy maraina amin’ny 7ora. Ny fanokanana dia tanterahina ny Alahady mialohan’ny Krismasy.