LOHOLONA SY DIAKONA

 Ny Firahalahian’ny Diakona sy Loholona (FDL) dia niezaka mba hampihatra ara-bakiteny ireo Fanekena 7-n’ny Diakona sy Loholona amin’ny alalan’ireo Vinan’Asa isan-taona (Programme d’Action Annuel) eo amin’ireo Sehatra telo (3) iasana : Servisy – Faritra – Vaomiera.

Havaozina isaky ny 4 taona ny FDL ary mandalo fiofanana mandritra ny 3 volana mialohan’ny fanokanana sy ny fandraisan-tanana azy. Ny Diakona vaovao no tokanana fa ny diakona efa am-perinasa kosa sy ny loholona dia raisin-tanana. Ny mpandray fanasan’ny Tompo no mifidy ny Diakona ary mandalo fifidianana avokoa na ireo vao manolo-tena na ireo manavao ny fanoloran-tenany. Ny Komitin’ny fifidiana no manatanteraka ny fifidianana, izay ivondronan’ny mpandray ny fansan’ny Tompo tsy mirotsaka ho diakona. Ny afaka manolo-tena ho diakona dia kristiana vita batisa sy mpandray fanasan’ny Tompo ao amin’ny FJKM, nahavita adidy 2 Taona mifanesy farafahakeliny ao amin’ny Fitandremana misy azy. Misy ny fisitahana kely ataon’ny FDL mialohan’ny fanokanana azy ireo.

Ao amin’ny FDL no hamoahana izay ho biraon’ny fiangonana amin’ny alalan’ny fifidianana. 

Hatramin’ny taona 2003  dia tsy mbola nisy ny biraon’ny fikambanan’ny diakona sy loholona teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V; fa ny mpitambola (cotisation-rakitra,) sy mpitantsoratry ny fivoriana ihany no nisy.

Ny FDL dia mpikambana ao anatin’ny mpihevi-draharahan’ny Fiangonana. 

Nanomboka tamin’ny taona 2014, rehefa tonga teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V ny mpitandrina RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa dia natsangana tao amin’ny FDL ny vaomiera samihafa (sosialy, fitaovana, zava-maneno, tontolo iainana, serasera sy hetsika, vola). Tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny voamiera ny Diakona sy ny Loholona rehetra . Ny mpikambana ao anatin’ny voamiera no mifidy izay ho filohany.

Nanomboka tamin’ny taona 2019 rehefa tafajoro ny fizarana Faritra 7 araka ny toerana ipetrahany avy ny vahoakan’ Andriamanitra dia nizara isaky ny Faritra ny Diakona sy Loholona. Izy ireo no mifidy izay ho filohan’ny Faritra. Izy ireo no mandamina ny fivoriam-bavaka isaky ny faritra. Mandamina hetsika rehetra isaky ny Faritra. Mitarika ny vahoakan’Andriamanitra ao anatin’ny faritra misy azy amin’ny hetsika rehetra karakarain’ny fiangonana.

BIRAON’NY FIANGONANA TAONA 2025

Naseho teo anatrehan’ny Mpandray fanasan’ny Tompo ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny Biraon’ny Fiangonana nolanin’ny mpihevi-draharaha ny Sabotsy 12 aprily 2025 teo :

Mpitantsoratra 1 : RANDRIAMAMPITOVY Henri.

Mpitantsoratra 2 : RANASIMANANA Rosette

Mpitahiry vola : RANAIVOSON Gidéon

Mpitantsoratra ny vola : RAKOTONIRINA Barinjaka

Mpanolotsaina 1 : RAKOTONIRINA Eugène

Mpanolotsaina 2 : RATOVO Olisson

Commissaire au compte :

  • RATOVOARIMALALA Mbinintsoa Clarc.
  • RASOAMANANA Samoelina Christophe
  • TELY Julien Dezy
  • RAMANGAMANANA Perline

Nahazo ny fankatoavan’ny Mpandray fanasan’ny Tompo izy ireo.


Firahalahian’ny Loholona sy ny Diakona andiany Fahendrena 2024

Misaotra an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 22 desambra 2024 ny fanokanana ireo diakona vaovao sy fandraisan-tanana ireo diakona am-perinasa nanavao ny fanoloran-tenany sy ireo loholona. Nandalo fotoan-tsarotra sy fisendrana maro samihafa ny FJKM Betela Tanambao V indrindra fa ny tao amin’ny Firahalahian’ny Loholona sy ny Diakona izay nisy ireo niandany tamin’ny Mpitandrina RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa ka tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny Birao Foibe FJKM tamin’ny fanalana azy. Na dia teo aza anefa izany rehetra izany dia niezaka ny Komitin’ny Fifidianana, ny Synodam-paritany SP 31 notarihin’ny Filoha Vaovao, RAJOSOA Mamy Barinarivo ;Mpitandrina ary ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia, nandamina ny raharaha rehetra ka tojo amin’izao fanokanana sy fandraisan-tanana izao.

Fotoan-dehibe ho raketin’ny tantara io alahady faha    22 desambra 2024; tamin’ny fanompoam-pivavahana faharoa io. Feno hiboka indray ny trano fiangonana raha tsikaritra fa efa nihena ny isan’ny mpivavaka noho ireo olana samihafa teto amin’ny Fiangonana. Ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina RAJOSOA Mamy Barinarivo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny bokin’ny Genesisy.3 :9 – 15.   

« Andiany FAHENDRENA » no anarana nisaloran’ity Firahalahian’ny Loholona sy Diakona ity ary 276 no isan’izy ireo izay mpandray ny fanasan’ny Tompo avy amin’ny fizaram-paritra fito misy eto amin’ny Fitandremana. Ny Diakona am-perinasa no maro an’isa nanohy ny asa fanompoana ary nisy ireo efa nivadika loholona noho ny taonany. Ny vehivavy no maro an’isa noho ny lehilahy. Ary maro ireo tanora nirotsaka ho Diakona. Nahavita ny fiofanana nandritra ny 3 volana izy ireo ary nisy ny fisitahana tany Foulpointe. Nampiavaka ny FLD andiany Fahendrena dia samy nisafidy Tenin’Andriamanitra novakiana am-pahibemaso nandritra ny fanokanana sy fandraisan-tanana izy ireo nentina nanorenana izany.

Ny mpitandrina RAJOSOA Mamy Barinarivo sy ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs no nifarimbona nanatanteraka ny fanokanana sy ny fandraisan-tanana. Hiasa mandritra ny 4 taona izy ireo.

RAKOTOMAVO Nosiharimanana no Filohan’ny Komity nanomana ny hetsika rehetra tamin’ny fahalavorarian’ny fanokanana. Nanolotra vata fahita lavitra « Télévision ecran plat » sy « Projecteur vidéo » 2 hoan’ny Fiangonana izy ireo.

Mbola ny  biraon’ny Fiangonana vonjomaika no mitantana ny Fiangonana mandra-pahavita ny fifidianana ny biraon’ny Fiangonana vaovao:

Mpitantsoratra 1 : RANDRIAMAMPITOVY Henri.

Mpitantsoratra 2 : RANASIMANANA Rosette

Mpitahiry vola : RANAIVOSON Gidéon

Mpitantsoratra ny vola : RAKOTONIRINA Barinjaka

FIRAHALAHIAN’NY DIAKONA SY LOHOLONA TAONA 2019

Ny alahady 8 septambra 2020   no nanokana ireo Diakona vaovao hiasa mandritra ny 4 taona rehefa avy niofana nandritra ny 3 volana. Natao isaky ny Faritra 7 ny fifidianana. Nisy ny Komity natrangana nanantanteraka ny fifidianana niaraka tamin’ireo mpianatra Katekomena. 

Taona 2020: miisa 250 diakona ary miisa 50 ireo loholona amperinasa

Ao ireo loholona izay tsy afaka manatanteraka ny asa fa manana zara fanompoana kosa amin’ny fitondrana am-bavaka ny asa tanterahana.

 Biraon’ny FDL  :

           -Filoha : RAKOTOMAVO Nosiharimanana

           -Filoha lefitra : RAZAKAMBELO Landry

           –Mpitantsoratry ny fivoariana : RAKOTOFIRINGA Odette

            -Mpitantsoratry ny vola: RAKOTOMALALA Laza Andrifaneva

           –Mpitam-bola: RANIVOMBOAHANGY Vololona