TANTARAN’NY FIANGONANA
“Ny 18 Aogositra 1818 no nidiran’ny Filazantsara teto Toamasina, tany Ivondro Antetezampasika. Tao no nivantana ny Misionera (Rév.David Jones sy Rév. Thomas Bevan).
Taona 1905, tao Tanambao 1, akaikin’ny hidin-dalamby na “barriere “-ny lamasinina mankany amin’ny “Gare Manguiers “na “Camp Docker” ankehitriny no toerana nanorenana ny Fiangonana voalohany teto an-tampon-tananan’I Toamasina , vita tamin’ny falafa.
Taona 1927: ravan’ny rivo-doza tanteraka ny Fiangonana ka nifindra tao amin’ny “Station Anjoma” aloha ny kristiana rehetra nivavaka tao. Fisintonana ihany anefa io satria tsy natao hanorenam-piangonana ny “Station Protestanta Anjomà”, fa natao kosa ho toeram-panomanana mpiasam-piangonana. Manoloana izany dia nisy ny tsy fitovian-kevitra koa nanjary nizarazara indray ny kristiana nanomboka ny taona 1930, samy nanorina ny Fiangonany. Tonga fitaovana sarobidy teo anatrehan’Andriamanitra ka nahazoana nanitatra ny sehatra itoriana ny Filazantsara ny fisian’izy 3 ireto: TRANOVATO FITIAVANA – MANAREZA VAVAHADY – BETELA TANAMBAO V.
· Tranovato Fitiavana hoan’ireo te-hijanona tao amin’ny Station Anjomà ka nanorina Fiangonana tsy lavitra io toerana io
· Manareza vavahady izay nisy ny sekoly voalohany naorin’ireo Misionera voalohany dia David Jones sy Thomas Bevan
· Betela Tanmbao V, ireo izay niverina tao Tanambao I
Toerana nisy ny Fiangonana voalohany teto Toamasina
I] NY TANTARAN’NY FIANGONANA FJKM BETELA TANAMBAO V
1. Daty niorenany
Nanorenan’ny Fanjakana lalam-by anefa ny toerana Tanambao I, ka dia nosoloina tany teo Tanambao V, toerana misy ny “Blanche Birger” ampitan’ny Score Bazar kely ankehitriny.
Taona 1930: Trano hazo no nahorina teo Tanambao V. Nahazoana BOKIN-TANY nomerao T 1749 BA/1934 – mirefy 12 ares 3 centiares. Naharitra 12 taona ny trano teo.
Ny solompitandrina RAZAFINDRAMBOA no nitondra ny Fiangonana tamin’izany, niara-niasa taminy ny misionera Rèv. Hippolyte BRUNEL sy Pasteur RALIBERA tao Anjoma.
Temple de la Mission Protestante Française (MPF)
- Taona 1943 : ravan’ny rivodoza tanteraka indray ny trano hazo. Namboarina taty aoriana, ka tsy vita trano hazo intsony fa natao trano volo indray, rapaka no gorodona, seza lava tsy nisy fiankinana no nipetrahana ary latabatra tsotra no nipetrahana.
Ny fisian’n yrivodoza zay namely ny Fiangonana no tonga lakolosy fanairana tao an-tsain’ny mpivavaka hanorina Fiangonana ho Tranovato.
2.Daty nifindrany toerana
Tafiditra tao anatin’ny toerana nanamboarana “Cité Beryl “ sy nandraisana ny “Foire international” ilay nisy ny Fiangonana Tanambao V tamin’izany. Noho izany dia nikarakara ny nahazoana haingana ny solon’ny tany ireo loholona tao amin’ny Fiangonana : Pasteur FETY Michel, RANDRIANASOLO , RALIBENJA Raymond, RAKOTOARIVELO, RANDRIANASOLO Jean Baptiste. Tany vaovao manamorona ny Làlana “Denis Pepin” zay niova ho làlana Dr RAKOTOSON ankehitriny no nomen’ny fanjakana (Ben’ny tanàna) ,ary dia nahazo BOKIN-TANY vaovao N° T 641 BA izay ahitana ny Fiangonana ankehitriny.
. Taona 1945: tany ho any no efa nitsimoka tao an-tsain’ny kristianina ny hanorina Trano vato mba tsy ho ravan’ny rivodoza intsony. Natsangana ny Vaomieran’ny fanorenana zay nantsoina hoe “commission de construction », miisa 46 izy ireo miaraka amin’ny Loholona.
. 12 Septambra 1948: fifidianana vaomiera vaovao zay miisa 15 miampy ny Loholona; nahavita ny asa zay nampanaovina azy tokoa izy ireo ary nanjary “Tsangambato velona” ho antsika ankehitriny sy ny taranaka fara mandimby izany.
. Taona 1952 no nanombohan’ny fanorenana natao: TRANOVATO, mirefy 30 metatra ny halavany, 15 metatra ny sakany ary 5 metatra ny haavony no naorina teo .Nandaniana 6813 “parpaings pleins”. Tsy nisy fanampiana avy any ivelany, fa ny hery nomen’Andriamanitra azy ireo samy irery ihany no nianteherany: tonom-bola, fampisehoana an-dapihazo (theatre) fanomezan’ny kristiana. Tanteraka tokoa ny Tenin’ny Soratra Masina hoe: “Mandehana amin’izao herinao izao” (Mpitsara.6:14). Tonom-bola voalohany tamin’izany no natao hoe “Voantsinampy »
3.Daty nametrahana vatofehizoro:
. 26 mey 1952 :Nandatsahana ny Vato Fehizoron’ ny Fiangonana teto Tanambao V. Ny Misionera BONZON Charles, Directeur de la Mission Protestante de Paris no nanatanteraka izany.Ireto avy no olona nanatrika sy nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’io fotoan-dehibe io:
– Atoa DAHY Ernest, Solompitandrina
– Pasteur Daniel RATEFY, Prezida Synodaly Vatomandry
– Missionnaire J. VERNIER, président de la mission protestante à Antananarivo
– Missionaire André PILET, Mission Protestante Française (MPF) à Toamasina
– Atoa CUSIN, Administrateur Adjoint de la Province de Toamasina izay solotenam-panjakana
4.Ny anarana nentiny:
.26 mey 1952: Nanomezana ny anaran’ity Fiangonana Tanambao V ity ho BETELA (Gen.28: 19). Teo amin’ny fametrahana ny Vato fehizoro no nametrahana ny tavoahangy misy ny SORATRA lehibe hoe:“FIANGONANA MPF BETELA”. Anarana nalaina avy amin’ny Soratra Masina ny hoe BETELA. Teny hebreo roa mikambana izy io: “BET “ izay midika hoe: TRANO ary “ EL “ izay manana ny hevitra hoe:” ANDRIAMANITRA “. Ary avy amin’io no nipoiran’ny Teny hebreo hoe “ELOHIM “na Andriamanitra. Raha atambatra ireo teny roa ireo dia TRANON’ANDRIAMANITRA no dikany (Gen.28: 17b).
Rehefa tafajoro ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara tamin’ny 18 aogositra 1968 dia niova FJKM BETELA ny anaran’ny Fiangonana.
. Jolay 1998, lany teo amin’ny fivorian’ny Mpihevidraharaha fa “FJKM BETELA TANAMBAO V “no anarana entin’ity Fiangonana ity.
Napetraka ny takelabato misy ny soratra hoe « FJKM BETELA TANAMBAO V » eo amin’ny tilikambo ivelany manoloana ny arabe.
FJKM Betela – taona 1969
FJKM Betela – taona 1973
FJKM Betela Tanambao V – Taona 1998
5.Daty nanokanana ny FJKM Betela Tanambao V:
- 1957: Voalalotra ny rindrina ary voapetaka ny tafo, efa nijoro koa ny “pupitre”, ny dabilio koa efa nisy ampahany vita.
- 1959: Namaraparana ny asa fanorenana (gros oeuvres) teto amin’ny fiangonana; hiditra amin’ny fandokoana trano indray ny kristiana; teo no nisedra olana kely ny fiangonana noho ny antony ara-bola..
- 1961 : Notokanana ny trano fiangonana Tanambao V; nasaina tamin’izany:
-Ny Filohan’ny Mision Protestanta Pasteur RABEMANAHAKA mivady
-Ny chef de propvince,Atoa RANOAVIMANANA SY Ramatoa vadiny
-Ny S.G. Chef de province Atoa RABE Ignace
Ny chef de province Atoa RANOAVIMANANA Victor no nanapaka ny ruban izay natao teo amin’ny varavarana afovoany ambanin’ny lakolosy . (samy nanao fitafy pastoraly soutane mainty izy mirahalahy ireo fa izany no fitafin’ny mpitondra fivavahana tamin’izany fotoana); nanaraka azy ireo ny Chef de province Atoa RANOAVIMANANA Victor mivady, ny S.G Atoa RABE Ignace, ny Choral notarihin’Atoa RANDRIANASOLO mivady , ny diakona, ny kristiana rehetra.
2. Fiangonana sady Sekoly:
Tsy nataon’ireo Misionera ho ambanin-javatra tokoa ny fanorenana sekoly, voaporofo tamin’ny fahatongavan’ny Misionera David Jones sy ThomasBevan izany, raha tonga voalohany tao Ivondro izy ireo. Fa araka ny voalazan’ny mpitantara dia ny zanak’ingahy FISATRA ben’ny Tanana tao Ivondro atao hoe ; BERORA no zaza Malagasy nahay namaky teny voalohany teto Madagasikara.
Tsy nisalasala tokoa ny Kristiana teto Tanambao V nampiasa ny trano Fiangonana ho trano fanaovana fanompoam-pivavahana ny Alahady, ary natao trano fampianarana namaky teny sy manoratra ho an’ny taranaka ny andavan’andro , ka Andriamatoa RAMAROSANJY no Talen-tsekoly tamin’izany. Isan’ny mpampianatra tamin’izany Ramatoa RABEMANAJARA Paula. Vokatry ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra miampy ireo Kristianina liam-pandrosoana, sy ny fisian’ny DIDY navoakan’ny Fanjakana nandrara ny fiangonana tsy atao sekoly fampianarana intsony no niforonan’ny “Sekoly Protestanta” teto Tanambao V,zay nampitondraina ny anara’I Rév. THOMAS BEVAN ankehitriny