DORKASY

Notanterahina ny Alahady 13 aprily 2025 ny alahadin’ny Sampana Dorkasy FJKM. Nananamarika izany ny Dorkasy FJKM Betela Tanambao V; ka izy ireo no nitarika ny litorjian’ny fanompoam-pivavahana. Nandray anjara hira ihany koa izy ireo tamin’ny fotoanan’ny rakitra.

Marihina fa ny Dorkasy dia fikambanam-behivavy kristianina FJKM manomboka amin’ny faha 14 taona. Raha ny salan’isan’ny taonan’ny mpikambana eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V anefa dia efa mihoatra ny 50 taona ny 90%. Nisy noho izany ny fanentanana ny tanora vehivavy hiditra hanatevin-daharana ny Dorkasy. 

Mivory isaky alarobia tolakandro ny Dorkasy. Mandritra io fotoam-pivoriana io no hanatanterahiny : Fanompoam-pivavahana, fianaran-kira, fampianarana, fiofanana, fanaovana asa-soa, sy tao-javatra samihafa, fifamangiana isan-tokantrano. Izany moa dia araka ny fandaminam-potoana isam-bolana. 

Ny Dorkasy Betela ihany koa dia manampy ireo marary hoditra sy ireo fianakaviana sahirana ara-piveloma.

SAFIF

Notanterahina androany Alahady faha 9 Martsa ny famaranana ny Jobily faha-25 Taona maha Filohan »ny SAFIF an’i Dada Denis Rafenomanantsoa mivady. Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia ary nitondra ny Tenin’Andriamanitra ny Mpitandrina RASOANATOANDRO Julienne izay niompana tamin’ny Tenin’Andriamanitra nofidian’izy ireo: »Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. » — II Korintiana 4 : 7

SAFIF

Misaotra an’Andriamanitra fa nitombo isa ny Mpiandry eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V. Miarahaba an’izy efatra mirahavavy izay vao avy natokana ho Mpiandry FJKM tamin’ny Alahady 22 septambra 2024 teo. Ny Tompo homba sy hampahery anareo mandrakariva.

Teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V, tamin’ny fotoam-pamaranana ny isan-kerintaonan’ny SAFIF SP 31, Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara no nanatanterahana ny fanokanana ny Mpiandry tamin’ity taona 2024 ity. Nitarika ny fanokanana ny Filoha Synodaly , RAJOSOA Barinarivo, Mpitandrina. Nanotrona izany ireo mpikambana tao anatin’ny biraon’ny Synodamparitany, ny Mpitandrina Filohan’ny SAFIF   SP 31, ireo mpitandrina sy kristiana maro ato anatin’ny Synodamparitany.

Ny alahady 29 septambra kosa no noraisin-tanana teto amin’ny Fiangonana ireo Mpiandry vaovao. Niarahaba azy ireo ny Biraon’ny Fiangonana notarihin’ny Mpitandrina TOTOFENO Theïs Elia sy ny Mpitandrina RASOANANTOANDRO Julienne. 

Alahadin’ny Vondrona Fototra Laika (VFL) na antsoina hoe Fivondronana Fototra Liaka (SFL) ny alahady 21 jolay teo. Nanamarika izany ny VFL eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V. Miarahaba an’izy efatra mirahavavy izay vao avy natokana ho Mpiandry FJKM tamin’ny Alahady 22 septambra 2024 teo. Ny Tompo homba sy hampahery anareo mandrakariva.