Asa Fitoriana ny Filazantsara

– Daty niorenany: Taona 1983

– Asa sahaniny :

ASA MISIONA: ireo asa rehetra ataon’Andriamanitra ho famonjena ny olona (fanasitranana, fampianarana, fampaherezana, fanampiana…) Maniraka Jesoa (Mat. 28: 19; Mar.16:15)

ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA: fanondroana mazava an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Tompon’izao tontolo izao (Jao.1:29; Asa.26:36).

TAFIKA MASINA: tetikasa sy paikady hanatanterahana ny Asa Fitoriana ny Filazantsara ka hampihaona ny olona iray amin’I Jesoa Kristy

 – Tanjona Filazantsara ho an’ny isam-batan’olona, ary Fiangonana ho an’ny isan-tanàna (Mat.28:18).

– Zava-kendreny : Manentana sy mitarika ny Fiangonana hantanteraka ny baikon’ny Tompo(Mar.16: 15-18). Mandrindra sy mandamina ny Asa Fitoriana ny Filazantsara ato anatin’ny sahan’ny FJKM, na an-tanan-dehibe na ambanivohitra mba hahatratra ny tanjona.

– Ireo filoha nifandimby :

1983 – 1986  Dada RABEARIVELO & Pasteur JACKY

1987 – 1992  RAKOTOARISOA

1992 – 1993  TSIVITSY Davidson

1994 – 1995  RAKOTOMALALA Oswald

1996 – 2018 RANDRIANARISON Soloherizo (Dada ZO)

– Birao (2019 – 2023)

Filoha : RAMAROZATOVO Daniel

Filoha mpanampy : ANDRIANANTENAINA Rado

Mpitahiry vola : RAHANTAVOLOLONA Verohanitra

Mpitan-tsoratry ny vola : Elyvine

Mpitan-tsoratry ny fivoriana :RAZAFINDRAVELO Jeanne

Mpanolo-tsaina : RAHANTAMALALA Virigie



· Asa vitany (anatiny sy ivelany)

Anatin’ny 36 taona: nikolokolo, nampianatra, nanabe ny Asa Fitoriana ny Filazantsara ho an’ny olona rehetrana ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy

· Isan’ny olona nivoaka tao amin’ny sampana:

maro be izy ireo (mpitandrina, batisa, katekomena, mpandray, mariazy)


·  Mpikambana nanana na manana andraikitra amin’ny birao AFF Synodam-paritany:

–         RANDRIANARISON Soloherizo André (Dada ZO)

–         RAMAROZATO Daniel

·        Fotoanan’ny sampana: Isaky ny Alakamisy amin’ny 6 ora hariva



RANDRIANARISON Soloherizo (Dada Zo)

  • Vanimpotoana nanamarika ny fiainan’ny sampana:

-Tafika Masina: hatramin’ny taona 1986 no efa nanatanteraka izany tamin’ireo “jumellage » ny Fiangonana eto Betela : Antsapanana, Fitandremana Ranomafana, Fitandremana Mahatsara, Fitandremana Ambila Lemaitso

-Mars 1992: nanao tantara an-tsehatra tao amin’i Stella Maris.

-Fihaonamben’ny AFF FJKM :

2006: Mahanoro;

2008: Antsiranana;

2010: Mahajanga ;

2012: Farafangana

2014: Mahajanga;

2016: Fénérive Est ;

2018: Mahanoro

-Rodorodom-pitoriana niaraka tamin’ny FJKM Ambohipo (Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa)