SAFIF

Misaotra an’Andriamanitra fa nitombo isa ny Mpiandry eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V. Miarahaba an’izy efatra mirahavavy izay vao avy natokana ho Mpiandry FJKM tamin’ny Alahady 22 septambra 2024 teo. Ny Tompo homba sy hampahery anareo mandrakariva.

Teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V, tamin’ny fotoam-pamaranana ny isan-kerintaonan’ny SAFIF SP 31, Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara no nanatanterahana ny fanokanana ny Mpiandry tamin’ity taona 2024 ity. Nitarika ny fanokanana ny Filoha Synodaly , RAJOSOA Barinarivo, Mpitandrina. Nanotrona izany ireo mpikambana tao anatin’ny biraon’ny Synodamparitany, ny Mpitandrina Filohan’ny SAFIF   SP 31, ireo mpitandrina sy kristiana maro ato anatin’ny Synodamparitany.

Ny alahady 29 septambra kosa no noraisin-tanana teto amin’ny Fiangonana ireo Mpiandry vaovao. Niarahaba azy ireo ny Biraon’ny Fiangonana notarihin’ny Mpitandrina TOTOFENO Theïs Elia sy ny Mpitandrina RASOANANTOANDRO Julienne. 

Alahadin’ny Vondrona Fototra Laika (VFL) na antsoina hoe Fivondronana Fototra Liaka (SFL) ny alahady 21 jolay teo. Nanamarika izany ny VFL eto amin’ny Fitandremana Betela Tanambao V. Nisy ny fanmetrahana zioga ho an’ireo mpikambana vaovao. Isany ny mampiavaka ity sampana ity izany zioga izay manamarika fa vonona ny hiara hiasa amin’ny amin’ny mpitandrina ny Laika (vahoakan’Andriamanitra) amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tonga niatrika ny fanompoam-pivavahana ary nitondra ny Tenin’Andriamanitra ny Filoha Mpanampy Mpitandrina Laika Foibe. Nanotrona azy ny Vondrom-paritany Laika Synodam-paritany notarihin’ny Filoham-paritany sy ireo Laika avy amin’ny Fitandremana hafa.

Tamin’ny fotoanan’ny asa vavolombelona no nametrahana ny zioga hoan’ireo mpikambana ao amin’ny VFL Betela ka nitarika izany ny Filoha Mpanampy Laika Foibe sy ny tao amin’ny vondrom-paritany ary ny mpitandrina teto an-toerana.

Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny sabotsy 20 jolay teo ny rindran-kira ara-pilazantsara noentina hanomanana ny fakalazana ny faha 10 taonan’ny Rantsana. Nisy ireo antokom-pihira avy any amin’ny fitandremana hafa nanotrona sy nandray anjara tamin’ny hetsika. Isan’izany ny FEMIMA, ny Akon’i Sedera, ny antokom-pihira Fifohazana avy ao amin’ny Fitandremana Manareza sy Ankirihiry. Namaly ny fanasana ihany koa ireo sampana avy eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V dia ny NY ANTEMAFI, ny Sampana Dorkasy ary ny Vokovoko Manga.

Marihina fa ny Akon’ny Fandresena dia antokom-pihira avy ao amin’ny SAFIF Betela, izay najoro ho rantsana velona eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V tamin’ny 13 otobra 2014. Manao asa fitoriana filazantsara an-kira izy ireo ary efa maro ny toerana nitoriana tao anatin’izay 10 taona izay.

Hetsika santatra iny natao iny fa ny ivon’ny fankalazana dia hotanterahina amin’ny Alahadin’ny SAFIF FJKM amin’ny volana oktobra.