DIAKONA SY LOHOLONA
Hatramin’ny taona 2003 : tsy nisy ny biraon’ny fikambanan’ny diakona sy loholona teto Betela ; fa ny mpitambola (cotisation-rakitra,) sy mpitantsoratry ny fivoriana ihany no nisy (Rakotofiringa Odette).
Taona 2014 : Nifidy biraon’ny diakona sy filohan’ny vaomiera, notarihin’ny Mpitandrina RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa
Ny Firahalahian’ny diakona sy loholona (FDL) dia niezaka mba hampihatra ara-bakiteny ireo Fanekena 7-n’ny Diakona sy Loholona @ alalan’ireo Vinan’Asa isan-taona (Programme d’Action Annuel) eo amin’ireo Sehatra 3 iasana : Servisy – Faritra – Vaomiera.
Birao taona 2019 :
-Filoha : RAKOTOMAVO Nosiharimanana
-Filoha lefitra : RAZAKAMBELO Landry
–Mpitantsoratry ny fivoariana : RAKOTOFIRINGA Odette
-Mpitantsoratry ny vola: RAKOTOMALALA Laza Andrifaneva
–Mpitam-bola: RANIVOMBOAHANGY Vololona
Ny alahady 8 septambra 2020 no nanokana ireo Diakona vaovao hiasa mandritra ny 4 taona rehefa avy niofana nandritra ny 3 volana. Natao isaky ny Faritra 7 ny fifidianana. Nisy ny Komity natrangana nanantanteraka ny fifidianana niaraka tamin’ireo mpianatra Katekomena.
Taona 2020: miisa 250 diakona ary miisa 50 ireo loholona amperinasa
Ao ireo loholona izay tsy afaka manatanteraka ny asa fa manana zara fanompoana kosa amin’ny fitondrana am-bavaka ny asa tanterahana.