SAMPANA DORKASY

· . Daty niorenany: Taona 1930.

Ny DORKASYdia tsy fikambanan’ny vehivavy antitra fa manomboka amin’ny tanoravavy feno 14 taona dia efa afaka mikambana ao amin’ny sampana.

Ny anarana hoe “DORKASY” dia nalaina avy amin’ny tantaran’ilay vehivavy mpanao asa soa sy fiantranavoalazaaoamin’nyAsan’nyApostoly 9:36 – 43 dia Tabita izany.

·        Asa sahaniny:

Manampy ny mahantra sy ny sahirana ary ny zaza kamboty (Foyer Olom-baovao – citevalpinson, sy ao amin’ny Fiangonana) ka mizara fanomezana ho azy ireo isaky ny fetim-pirenena 26 Jona sy ny Krismasy 25 Desambra.

Mandray anjara amin’ny asan’nyDorka sy Synodam-paritany :mamangy ny marary hoditra, ny voafonja, ny marary eny amin’ny hopitaly.

Manome fanampiana ireo mpiofana ho Mpitandrina eny amin’nyToeram-panomanana Mpitandrina (TPM :Ivato , Mandritsara, Fianarantsoa, Ambatonakanga)

·        Asa fanompoana:

Mandray anjara amin’ny litorjia sy ny hira Alahady maraina, sy ny fanadiovana ny Fiangonana, araka ny fandaminana.

Misy androm-bavaka na alim-bavaka isam-bolana any amin’ny tokantranon’izay maniry hanaovana izany

TAFIKA MASINA :famangiana ireo marary na namana milafampaherezana

Fianaran-kira :fiderana sy dihy mirindra, na asa-tanana

Fankalazana ny taom-baovao :fisindahana an-tsaha –misy fiaraha-misakafo

Fankalazana ny FETIN’NY RENY:fifanakalozana fanomezana

Fankalazana ny iray volan’ny Dorkasy (Aprily) ;hanaovana hetsika samihafa hahazoam-bola

·     Tenyfilamatra:

“LAZAO AMIN’NY ZANAK’ISRAELY MBA HANDROSO” (Eks.14:15b)

·        Tarigetra: Asa soa sy fiantrana:

–         Miahy ny zaza kamboty sy ny sahirana

–         Mizara ny fahaiza-manao amin’ny mpiara-mivavaka: sakafo ,zaitra,….

–         Mitory Filazantsara sy mamangy any an-tokantrano.

Misy ireo Mpikambana MPANOHANA, tsy afaka mamonjy ny fotoam-pivoriana noho ny asa aman-draharaha nefa tena mandray anjara amin’ny adidy samihafa sy manohana amin’ny asa sahan’ny Dorkasy.

·        Zava-kendrena: ASA SOA-FIANTRANA-FIFANAMPIANA-FAMANGIANA.

Mitory sy manambara ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy,

Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra:saina, vatana, fanahy.

·        Hira faneva:

“HANDROSO IZAHAY”araka ny teny filamatra hoe :« Lazao amin’ny Zanak’Israely mba handroso », sy ny hira faneva tamin’ny fankalazana ny faha-80 taona : « NY OLOKO MARINA DIA VELON’NY FINOANA » ka Rtoa RAMIARANDRAISOA Jacqueline, mpikambana ao amin’ny Dorkasy ihany no namorona ny tonony sy ny feony

LAZAO AMIN’NY ZANAK’ISRAELY MBA HANDROSO” (Eks.14:15b)
« DORKASY MIASA …..MIAINA AMIN’NY FITIAVANA » 2011-2014

·        Asa vitany (anatiny sy ivelany):

–         Nanampy ny Fiangonana any amin’ny Jumellage Antsampanana (RN2).

–         Nanamboatra ny Fiangonana Manambonitra

·        Fandaharan’asa:

ü Fivoriana : Alarobiato lakandro : 2 ora30 – 4 ora30

ü Misy androm-bavaka na alim-bavaka isam-bolana any amin’ny tokantranon’izay maniry hanaovana izany.

ü Manao TAFIKA MASINA : famangiana ireo marary na namana milafampaherezana

ü Fianaran-kira : fiderana sy dihy mirindra, na asa-tanana

ü Fankalazana ny taom-baovao : fisindahana an-tsaha-misy fiaraha-misakafo

ü Fankalazanany FETIN’NY RENY : fifanakalozana fanomezana

ü Fankalazana ny iray volan’ny Dorkasy (Aprily) ; hanaovana hetsika samihafa hahazoam-bola

·        Ny fidiram-bola:

ü Rakitra in-droa isaky ny fivoriana

ü Latsakembokaisam-bolana amin’ny alalan’ny karatra

ü Mampanofa lovia aman-tsotro sy vera miisa 200

ü Tsipaipaika raha misy trangan-javatra manokana

ü Hetsika samihaf amandritry ny volana natokana hoan’ny Dorkasy (Aprily) toy ny : opération gâteux, sakafo iombonana, tsakitsaky, fampisehoana tantara an-tsehatra (« ESTERA » izay nahazoana fankasitrahana marobe tamin’ny fankalazanany faha-80 taona)

·        Ny famoaham-bola:

ü Adidy amin’ny Fiangonana Betela-Dorkasy SP –Foibe Dorkasy

ü Fanomezana : sahirana sy kamboty

ü Fifampitondrana ara-tsosialy :famangiana marary na mana-manjo, tso-drano ho an’ny zanaka hanorin-tokantrano, ropatsa hoan’ny tera-bao , tsodrano samihafa raha misy taratasy fampandrenesana sy fanasana, Ampahany amin’ny saran-dalana amin’ny fivoriambe ( JKT – Fihaonambe).

·        Fotoanan’ny sampana: fotoam-bavaka Alarobia @ 2ora sy sasany






·        Ireo filoha nifandimby:

–         RAZANAMALALA Joséphine

–         RASOANANTENAINA Marcelle

–         RAZOARISOA Julienne

–         RAMBOLOARISOA Elflore (1992 – 2000)

–         VELOSOA Rosalie Jonah (2000 – 2016)

–         DOROTHEE Marie (2016 – 2018)

–         RABODOARISOA NirinaJulia (2019 hatramin’izao)