NY MPITANDRINA TOTOFENO Théis Elia
TOTOFENO Théis Elia
Mobile : (261) 034 31 694 10
Teraka tamin’ny taona 26 jona 1965 tany Antalaha
Manambady an’i RASOANATOANDRO Julienne, Mpitandrina
RAY : ELIA
RENY : MARY Velo
Manan-janaka telo vavy : RATOLOTRINIAINA Fetisoa Elianah, TSIKIFENO Nasetriniavo Elia, TOKIFENO Natolotriniavo Elia.
Notokanana ho Mpitandrina tamin’ny 14 desambra 2002 tany Vatomandry.
MARI-PAHAIZANA
- Bacc en Théologie : Collège de Théologie Ivato.
- Licence en Théologie : Faculté de Théologie Ambatonakanga.
- Maîtrise en Théologie : Faculté de Théologie Ambatonakanga.
- Masters en Théologie : Université Ravelojaona (2018)
TOERANA NITANDREMANA
- FJKM Ambatomainty Tsiroanimandidy – SP 34 (1994-2002)
- FJKM Zoara Vatomandry – SP 32 (2002 – 2024)
- FJKM Betela Tanambao V – SP 31 (2024 – )
ASA IOMBONANA
- Mpiandraikitra Foibe FJKM (2008 – 2024)
- Komitin’ny Fampianarana Teolojika (KFT)
- Comité de direction FIVATSY
- Mpitantsoratra ny Birao – SP 32 (2002 – 2024)
- Tale Mpandrindra SEFALA – SP 32
- Mpanolotsaina Birao SLK Foibe (2005 – 2024)
- Alarobia faha 22 Mey 2024
Fanolorana an’i TOTOFENO Théis Elia, Mpitandrina; teo anatrehan’ny mpihevi-draharahan’ny FJKM Betela Tanambao V
Nanatitra azy ny Tonian’ny Departementan’ny Fiangonana, Foibe FJKM, Robson Radolalaina Johary , Mpitandrina. Nanotrona izany :
-Ny Mpitandrina Délégué Ralabomahay Hendrininosy
-Ny Synodam-Paritany notarihin’ny Prezida Synodaly vaovao SP. 31, Barinarivo Rajosoa , Mpitandrina.
-Ireo Mpiandraikitra Foibe avy eto amin’ny SP 31,
-Ireo Mpitandrina avy any amin’ny SP 32,
-Ireo Mpitandrina avy eto amin’ny SP 31,
-Ny Mpihevidraharaha eto amin’ny Fitandremana Betela Tanambao V .
- Alahady faha 2 jona 2024 :
Fanolorana ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia; teo anatrehan’ny Fiangonana
Nitantana ny fanompoam-pivavahana ny Biraon’ny Synodam-paritany Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara, notarihin’ny Filoha Synodaly, Barinarivo Rajosoa, Mpitandrina.
« Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy » II Timoty 4 : 17. Io ny Tenin’ Andriamanitra notoriana tamin’io fotoana io ka ny Filoha Synodaly no nitondra ny hafatra.
Nanotrona ny fotoana ny Mpitandrina Délégué, RALAMBOMAHAY Hendrininosy
Nisy ny solontenan’ny kristiana avy any amin’ny Fitandremana Zoara Vatomandry sy ny Fianakavian’ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia .
- Alahady faha 9 jona 2024
Fandraisan’ny Fiangonana ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia mivady. Nanotrona izany Ramatoa vadin’ny Prezida Synodaly Ilaka Est SP 32, sy ny solontenan’ny Biraom-piangonana avy ao amin’ny FJKM Zoara Vatomandry, izay nisy azy teo aloha.
Tamin’io alahady io no nitoriteny voalohany teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia, ka ny Efesiana 4 : 11 – 16 no nakany ny hafatra tamin’izany. Hatao ho zava-dehibe ny firaisana sy ny fiombonana ary ny asa ho famerenana an’ny FJKM Betela Tanambao V amin’ny toerana misy azy hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana.
TOTOFENO Théis Elia, Mpitandrina, mivady
Diakona sy Loholona
Biraom-piangonana
Mpianatry ny sekoly FJKM Thomas Bevan Antokompihira Akon’i Betela
Ramatoa vadin’ny Filoha Synodaly SP 32 Ilaka Est
Teknisian’ny zavamaneno
Pasteur SAONINA
Diakona sy Loholona
Pasteur Julienne