Ireo Mpitandrina Nifandimby
1 – Ny Solompitandrina RAZAFINDRAMBOA (1930 – 1932)
Izy no nitondra Fiangonana Tanambao V, dia ilay Fiangonana Trano Hazo. Misionera Rév.Hypolite BRUNEL sy Pasteur RALIBERA , Mpitandrina tao Anjoma no niara-niasa taminy
2 – Pasteur SIMON PIERRE RABENJA (1932 – 1945)
Nandalo fotoan-tsarotra tokoa ity mpanompon’ Andriamanitra ity satria ny taona 1943 no namelezan’ ny cyclone ilay Trano Hazo. Tamin’ny fotoana nitondrany no nipoiran’ny hevitra hanao TRANO VATO. Angady nananana sy vy nahitana ny fanentanana voalohany ho amin’izany asa goavana izany izy.
3 – Pasteur RANDRIANARIVELO (1945 – 1952)
Izy no nanomana ny kristiana handray anjara an-tsitrapo tamin’ny fanaovana ny Fiangonana hatao trano vato. Pasteur RABE Jean (rain’I Pasteur RABEMANAHAKA J.W.), Mpitandrina tao Manareza Vavahady sy Pasteur RANAIVO Denis, Mpitandrina tao Salazamay no niara-niasa taminy. Manaporofo izany fiaraha-miasa izany ny fanatrehan’izy telo lahy ny fifidianana birao Dorkasy ny taona 1949.
4 – Ny Solompitandrina DAHY Ernest
Nitondra Fiangonana nandritra ny tsy nananan’ny Fiangonana Mpitandrina. Ny taona 1952 moa di afotoana goavana tokoa satria tamin’io taona io no nafana dia nafana tokoa ny asa hady fototra (fondation). Izy no nanatrika ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny VATOFEHIZORO Tranovato BETELA teto Tanambao V.
5 – Pasteur FETY Michel (1953 – 1954)
Mpiangona tao Tanambao V (trano hazo teo aloha) izy talohan’ny naha Mpitandrina azy. Anisan’ny mambra tao amin’ny “commission de construction” izy sady mpampianatra Sekoly Alahady ny taona 1948 ; tonga Prezida Synodaly izy taty aoriana ( Mananjary, Toamasina), lasa Filoha mpanampy FJKM tamin’ny fotoana naha-Filohan’ny CNPD (Conseil National Populaire pour le Développement), tamin’ny Fitondran’ny Général RAMANANTSOA, tonga “Doyen Faculté” Ambatonakanga izay nandraisany ny fisotro-drononony izy. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny fiorenan’ny “Faculté de Théologie” tao Antananarivo
6 – Pasteur RAKOTONARIVO (1954 – 1955)
Mpampianatra tao amin’ny “Ecole Biblique” Anjoma izy no sady nitondra ny Fiangonana Betela. Lasa Mpitandrina tao amin’ny Fiangonana Ambohinampamarinana Antananarivo mo izy taty aoriana.
7 – Pasteur RAKOTOARIMANANA Victor (1955 – 1957)
Mpitandrina nanao fanekena tamin’ny Tompon’andraikitra tao amin’ny “Commune” izy, tamin’ny fanekena “vente à location” ny “logement N° 138 sy N°139 Cité Beryl Rose”. 10 taona taty aoriana dia azo tanteraka ireo “logements” roa ireo ho FANANAN’NY FIANGONANA Tanambao V ho TRANOVADIM-PIANGONANA.
Nanana andraikitra lehibe tokoa teo amin’ny Fiangonana Pasteur RAKOTOARIMANANA Victor: rehefa niova ho FPM (Fiangonana ara-pilazantsara eto Madagasikara) ny MPF (Mission Protestante Française) di aizy nolasa Filoha Nasionalin’io Fiangonana io teto Mdagasikara. Ary rehefa nivondrona ho Fiangonana tokana ny LMS, FFMA ary ny MPF, dia izy no lasa “Secrétaire Général” ny FJKM voalohany indrindra. Iray tamin’ireo Filoha telo mirahalahy nifanolo nanambara ny FJKM tamin’ny 18 Aogositra 1968 tao amin’ny FJKM Tranovato Toamasina izy.
8 – Pasteur RAMANAMBAZAHA Eugène (1957 – 1986)
Izy no Mpitandrina naharitra ela indrindra hatramin’izay 50 taona lasa izay. Tamin’ny nitondrany koa no nitsirian’ny hetaheta te- hanorina Akany ary efa tafatsangana mihitsy aza ny Komity Mpanorina, efa natao ny Tonombola sy ny hady fototra. Kanefa dia tsy tanteraka ny asa.Nahatratra 29 taona latsaka kely no nitondrany ny Fiangonana Betela Tanambao V
9 – Pasteur SAONINA (1986 – 2013)
- Alahady 3 Aogositra1986: nanolorana tamin’ny fomba ofisialy azy hitondra ity Fiangonana Tanambao V ity. Pasteur RAKOTOARIMANANA Milson, Prezida Synodaly, no nanatanteraka izany, izay natrehin’ny Pasteur RAMINO Paul, Solontenan’ny Mpiandraikitra Foibe
- 20 marsa 1988 no natao ny fifidianana, lalàna mifehy ny FJKM tamin’izany fotoana izany. Mpandray Fanasan’ny Tompo 653 no nifidy tamin’ny latsa-bato miafina.Lany hitondra ity Fiangonana ity Pasteur SAONINA.
- 10 jolay 1988:Nanokanana an’I Pasteur SAONINA ho mpitandrina eo amin’ny Fiangonana Betela Tanambao V
Atoa RALIBENJA Raymond no Solompitandrina niara-niasa taminy tamin’izany fotoana izany.
10 – Pasteur RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa
- 23 Janoary 2014: Nanendrena azy hitondra ny Fitandremana Betela Tanambao V hatramin’izao.
- 8 Febroary 2014: Nametrahana azy mianakavy teo amin’ny Fiangonana.
- 14 Febroary 2015: Noraisin-tanana tamin’ny fomba ofisialy izay notanterahan’ny Synodamparintany rehefa niasa nandritra ny herintaona.
- 15 Febroary 2015: Fandraisan-tanana azy ireo niarahana tamin’ny kristiana rehetra.