NY RAFITRA

A- Biraom-piangonana:

6 no isan’ny mambran’ny biraom-piangonana eto amin’ny FJKM Betela Tanambao faha 5 voafidy tamin’ny

taona 2019.

·        Mpitarika

 – Mpitandrina RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa.

·        Mpitantsoratry ny fivoariana 

Ø RANDRIAMAMPITOVY Henri

Ø RAKOTOMAVO Lalasoa

·        -Mpitam-bola 1: RANAIVOJAONA Samuel

·        -Mpitantsoratry ny vola 1: ANDRIAMANALINARIVO Solofohery

·        -Mpanolontsaina 2:

Ø RABEZAHANA

Ø RAMORASON Zefania



B – Firalahian’ny Diakona sy Loholona (FDL):

Ny Firahalahian’ny diakona sy loholona (FDL) dia niezaka mba hampihatra ara-bakiteny ireo Fanekena 7-n’ny Diakona sy Loholona @ alalan’ireo Vinan’Asa isan-taona (Programme d’Action Annuel) eo amin’ireo Sehatra 3 iasana : Servisy – Faritra – Vaomiera.

 Birao taona 2019 :

           -Filoha : RAKOTOMAVO Nosiharimanana

           -Filoha lefitra : RAZAKAMBELO Landry

           –Mpitantsoratry ny fivoariana : RAKOTOFIRINGA Odette

            -Mpitantsoratry ny vola: RAKOTOMALALA Laza Andrifaneva

           –Mpitam-bola: RANIVOMBOAHANGY Vololona



Hatramin’ny taona 2003 : tsy nisy ny biraon’ny fikambanan’ny diakona sy loholona teto Betela ; fa ny mpitambola (cotisation-rakitra,) sy mpitantsoratry ny fivoriana ihany no nisy (Rakotofiringa Odette).

Taona 2014 : Nifidy biraon’ny diakona sy filohan’ny vaomiera, notarihin’ny Mpitandrina RAHERIVELO Joseph Fidimanantsoa

Taona 2016: miisa 160 ny diakona

Taona 2020: miisa 250 diakona ary miisa 50 ireo loholona amperinasa

Ao ireo loholona izay tsy afaka manatanteraka ny asa fa manana zara fanompoana kosa amin’ny fitondrana am-bavaka ny asa tanterahana.

– VAOMIERA

Sehatra manolo-kevitra amin’ny fampandrosoana ny Fiainan’ny Fiangonana manontolo.

Rantsana mpanatanteraka asam-Piangonana sy asa voafaritra araka ny fandaminan’ny Birao FDL, rehefa    nahazo  fankatoavana avy amin’ny Mpitandrina

MPIKAMBANA AO ANATY VAOMIERA : Diakona sy Loholona amperin’asa ampian’ny mpandray fanasan’ny Tompo araka ny filàna amin’ny asa hatao.Ny biraon’ny FDL no mpiandraikitra ny vaomiera

MPIANDRAIKITRA NY VAOMIERA : Birao FDL.

Misy vaomiera 7 eto amin’ny Fiangonana  : aim-panahy- sosialy – vola- hetsika sy serasera- tontolo iainana-zavamaneno-Fananana-Mpitandrina sy mpandraharaha.Ahitana biraom-piangonana 1 isaky ny vaomiera

– KATEKISTA 

Ankoatry ny asa fitoriana, dia nomen’ny Mpitandrina zara fanompoana ny katekista amin’ny fitantanana ny fandraisana manampy ny Mpitandrina.

Miisa 45 ireo Katekista afaka manao ny asa fampandraisana miaraka amin’ny ray aman-dReny Mpitandrina. Misy kosa anefa ireo izay nomen’Andriamanitra hery miombom-panahy amin’izy ireo, mitrotro am-bavaka ny fanatanterahana ny asa.


C- SAMPANA

a)   FAMARITANA:

– SEHATRA hanabeazan’ny Fiangonana ireo Vahoakan’Andriamanitra.

-Rantsana eo anivon’ny Fiangonana (= Jesoa Kristy) iandrasana Voa araka ny Soratra Masina “Izaho (Fiangonana) no Voaloboka, ianareo no Sampany …. izay miray Amiko dia mamoa be izy” Jao.15 :5a

b)   MISSION (ANTOM-PISIANA / IRAKA) :

Irahin’i Jesoa Kristy mba HAMAHANA sy HANABE ireo Vahoakan’Andrimanitra (=Ondry) mba hahatonga azy ireo ho velona sy hitombo. Hoy Jesoa : “… moa tia Ahy va ianao?… Fahano ary ny Ondriko” Jao.21 :17.

c)   VOKATRA ANDRASANA :

Mpikambana velona @ Finoana sy mitombo Ara-Panahy sy @ maha Olona manontolo:

o Fitomboana Ara-Panahy :

Zaza ara-panahy  –   Batisa  Mpandray  Mariazy –   SEFALA sy Andraikitra samihafa eo anivon’ny Fiangonana. “fa mitomboa @ fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy” II Pet.3 :18a .

o Fitomboana @ maha Olona manontolo:

Saina, Vatana, Fanahy. Oh: miezaka mba hanana asa ny rehetra ao @ Sampana). “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy” II Tes.3:10.

d)   MISSION SAMPANA: MAMAHANA SY MANABE NY ONDRY “…FAHANO NY ONDRIKO…

“Ny Zava-kendren’ny Sampana”

           Ny Synoda Lehibe faha XVIII, izay natao tany Antsirabe, farany teo dia nanapaka fa ny FJKM dia handrafitra ny teti-bolany araka ny tetik’asany ka hialana ny teti-bola niainga tamin’ny vola miditra. Izany fanapahan-kevitra izany dia mitaky amin’ny ambaratongan-drafitra rehetra mba hanana ny tetik’asany. Na izany aza, tsy izay asa azo atao dia tanterahina fa tokony ho tetikasa manatratra tanjona no arafitra. Noho izany, tsy hisy tanjona azo ajoro ka tsy miainga amin’ny Zava-kendrena.

Koa ny zava-kendrena no handrafetana ny tanjona amin’ny asa iray hotanterahina ka aorian’ilay asa natao dia hisy fiantraikany eo amin’ny olona ao anatin’ny sampana izany.

Noho izany, zava-dehibe ho an’ny Sampana ny mahafantatra ny zava-kendreny avy. Ny Fitsipika anatin’ny Sampana tsirairay no mamaritra izany arak’izao:

– Sampana Dorkasy: Fitsipika Fototra, And. 5: “Ny zava-kendren’ny Sampana Dorkasy FJKM dia ny: Mitory sy manambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra, saina, vatana, fanahy.

– ”Sampana Lehilahy Kristiana: Fitsipika Fototra, And.5: “HITORY NY FILAZANTSARA amin’ny lehilahy rehetra mba hahatonga azy ho LEHILAHY KRISTIANA mpitarika mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, ka mba ho « LEHILAHY LEHIBE MAHATRATRA NY OHATRY NY HALEHIBEN’NY FAHAFENOAN’I KRISTY » (Sal. 22 : 22 ; Efes. 13:4).

-”Sampana Sekoly Alahady: Fitsipika Fototra, And. 3: “Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy tokoa.

– ”Sampana Tanora Kristiana: Fitsipika Fototra, And. 7: “Ny zava-kendren’ny STK FJKM dia mandray ho adidy ny mitory ny Filazantsara amin’ny Olombelona rehetra (Mar.16/15), mba hahatonga ny Tanora hahery sy hitoetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy (I Jao.2/4-14b), manabe sy mikolokolo ny Tanora amin’ny lafim-piainany rehetra, mba hahatonga azy ho vavolombelon’i Kristy (I Tim.4/12).

-”Sampana Vokovoko Manga: Fitsipika Fototra, And.2: “Ny SVM FJKM dia miady amin’ny zava-mahadomelina rehetra ao anatiny sy ivelan’ny Fiangonana. Raisin’ny SVM FJKM ho baikon’ny Tompo asainy tanterahan’ny Fiangonany ny ady amin’ny fanapariahana sy ny fanjifana izany zava-mahadomelina izany ka manaiky izy ho Sampana mpitarika sy mpanentana ny Kristiana tsirairay sy ny Fiangonana manontolo hirotsaka amin’izany ady izany

-.”Sampana Fivondronana Laika: Fitsipika Fototra, And.3: “Ny zava-kendren’ny Sampana Fivondronana Laika FJKM dia ny hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba hampitoetra amin’ny toerana rehetra, indrindra eto Madagasikara ny tena fiaraha-monin’ny ankohonan’Andriamanitra manomboka amin’ny FJKM:

3.1 Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana sy hiandraikitra fanabeazana eo amin’ny fiaraha- monina, mahasahana ny olona manontolo sy ny olona rehetra: vatana saina ary Fanahy.

3.2 Hiara-miasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana samihafa:          a) Hikaroka loharanom-bola maharitra ho an’ ny asan’ny Fiangonana

b) Hikaroka lalan-kevitra sy hanatanteraka izany mba hampivoatra ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara.

3.3 Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny FJKM eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina mba hahafahan’ny rehetra mandre ny Filazantsara sy mandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.

3.4 Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny FJKM eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina

a) Handinika sy hanolotra amin’ny Foibe FJKM ny hevitra rehetra hampandrosoana ny asan’ny Fiangonana, ka handray anjara araka izay azony atao amin’ny fomba enti-manatanteraka ireny tolo-kevitra ireny.   b)Handroso mandrakariva eo amin’ny Ekiomenisma eo ambany fitarihan’ny Foibe FJKM.”

 – Sampana Mpanazava sy Tily: Fitsipika Fototra, And. 5: “Ny zava-kendren’ny SAMPATI FJKM dia ny hahatonga ny ankizy sy ny tanora beazina ao aminy ho tia an’Andriamanitra sy hahalala Azy ao amin’i Jesoa Kristy, ka ho vonona hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona aminy ao anatin’ny fifehezan-tena sy fanarahana ireo fitsipika mifehy ny fikambanana voalaza ao amin’ny (and 03) ka ireto ny asa fototra tanterahany : Fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Skotisma, mba hanompo an’Andriamanitra sy hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana ary hanana fifehezan-tena ho vonona amin’ny asa tsara rehetra.”

– Sampana Fifohazana: Fitsipika Fototra, And. 7: “Ny Sampana Fifohazana FJKM dia Mitory ny Filazantsara , mamoaka demonia , mametra-tanana , manasitrana marary ( Mar.16,15-20 ), Mampandroso ny Fiangonana ( I Kor.14,12 ), Mitady ny fampiraisana ( Jao.17,21 ), Miaina ny fifankatiavana ( Jao.13,34-35 )”

D- FARITRA

a) FAMARITANA :

SEHATRA hiasan’ny Fiangonana eo anivon’ny Fiarahamonina (=Valan’Ondry) ny Faritra.

 b) Mission (IRAKA) :

 Irahin’i Jesoa Kristy mba HIAMBINA sy HITAIZA ny Vahoakan’Andrimanitra (=Ondry) eo anivon’ny Fiarahamonina (=Vala). Hoy Jesoa : « moa tia Ahy va ianao ? … Andraso ary ny Ondriko » Jao.21 :17.

Ny antony hiambesana ireo Vahoakan’Andrimanitra (=Ondry) eo @ Fiarahamonina (=Vala) dia:

   • Mba tsy ho lasan’ny Mpangalatra (Silamo, Fanompoan-tsampy, Fangatsiahana, Fijangajangana, sns). “Ny Mpangalatra tsy avy raha tsy hamono sy handringana” Jao.10:10a

Mba hitaizana azy hanana fitondran-tena tsara sy hanaiky ny Tompony (JK).

Mba hitsaboana izay reraka sy marary.

 c) VOKATRA ANDRASANA:

Olona voahy sy voataiza Ara-Panahy, Ara-tSosialy ary manao Adidy.

 d)  MISSION FARITRA : MIANDRY SY MITAIZA NY ONDRY “… ANDRASO NY ONDRIKO (JK)”

Oktobra 2014: « Nozaraina faritra 7 ny Fiangonana.Sehatra iasan’ny Fiangonana eny anivon’ny fiaraha-monina ny faritra. Nozaraina fito (7)ary misy zana-paritra mizarazara azy nampitondraina ny anaran-tanàna nandalovan’I Paoly.Manamora ny fanatanterahana ny asam-piangonana,lamin’asa eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, ny serasera, ny sosialy; tsy lavitra ny Fiangonana ny olona eo amin’ny fiainany andavanandro. »



 Fanamarihana : Mifameno ny Sampana sy ny Faritra

 Rafitra:

o SAMPANA: tantanan’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo.

o FARITRA: tantanan’ny Diakona sy ny Loholona.

  Iraka (Mission):

o SAMPANA: Mamahana sy Manabe ny Ondry mba hitomboany (ara-Panahy sy @ lafiny maha Olona manontolo)

o FARITRA: Miandry sy Mitaiza ny Ondry eny anivon’ny Fiarahamonina (ara-Panahy – ara-tSosialy – Adidy Kristiana).