Sampana FIfohazana FJKM
Daty niorenan’ny SAFIF Foibe: Taona 1986
Daty niorenan’ny SAFIF Betela : 1987
· Asa sahaniny:
- Mitory ny Filazantsara, mamoaka demonia, mametra-tanana, manasitrana marary (Mar.16/ 15-20)
- Mampandroso ny Fiangonana (I KOR.14: 12)
- Mitady fampiraisana (Jao. 17: 21)
- Miaina ny fifankatiavana (Jao.13: 34 -35)
- Mampahery sy mamaha ny olana izay voafatotry ny devoly ka mitory ny Filazantsara amin’izy ireo
· Tarigetra: FIFOHAZANA MINO – MATOKY – MIASA
· Zava-kendrena:
Fitaomana ny olona mba hibebaka mba ho tafiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra dia ilay Fiainana mandrakizay.
· Ireo filoha nifandimby:
-1986 :Fifohazana Soatanana (Voatsinapy)
-1989 – 1990 : Dada RAMANAMAHEFA Edouard
-1991 – 1992 : Mama RAZAKA Justine
-1992-1997 : Dada RAKOTOARISOA
-1998 – 2018 : Dada RAFENOMANANTSOA Denis
-2019 – : Dada RAMAROZATOVO Daniel
· Mambra ao amin’ny birao:
Filoha :RAMAROZATOVO Daniel
Filoha Mpanampy: RAFENOMANANTSOA Denis
Mpitahiry Vola:RAZAFINDRANORO Kristine
Mpitantsoratra ny Vola:RAZAFIMALALA Jacqueline
Mpitantsoratra ny fivoriana :Mama LUDYE
Mpanolotsaina : -RANAIVO Alphonse
-JAONA François
· Vanim-potoana nanamarika ny fiainan’ny sampana:
Nisy ny atao hoe “Voatsinapy” tany aloha notarihin’ny fifohazana Soatanana, fa mbola tsy nametra-tanana na dia nisy mpiandry aza ( miantso mankany an-trano izay mila mpiandry)
Fotoam-bavaka ihany no natao tamin’izany. Nitohy ka lasa MARAIM-BAOVAO mandraka ankehitrio izany
Pasteur SAONINA: nanao ny fandaminana ny hisian’ny asa fametraha-tanana tetoam-piangonana Betela, niaraka tamin’I Dada RABEARIVELO Auguste, mpiandry Manolotrony, sy Dada RAMANAMAHEFA, mpiandry Soatanana.Niara-nametra-tanana tamin’ny lohan’I Pasteur SAONINA izy mirahalahy ireo tamin’ny fanombohana ny asa; ary nasiana fandaminana ny fotoana taorian’izany:
– Soatanana: Alarobia amin’ny 6 ora hariva
– Manolotrony : Alahady fahaefatra amin’ny 3 ora hariva
Taona 1989 : nisy fandaminana vaovao
– Fifohazana Manolotrony: Talata amin’ny 6ora hariva
– Fifohazana FJKM: Alarobia amin’ny 6ora hariva
JOLAY 1989: natsangan’I Pasteur RATOVONARIVO Edmond sy Pasteur RABEHATONINA james teto Toamasina ny SAMPANA FIFOHAZANA FJKM. Tsy nisy intsony ny fifohazana Soatanana taorian’izay.
Pasteur SAONINA, Dada RAMANAMAHEFA Edouard (mpiandry), Dada RAZAKA Justin (Dada Zaka mpiandry), naira-niasa nanorina ny TOBY FO MADIO ANKIRIHIRY (Tany amin’ny toby loteriana no naleha talohan’io)
· Asa vitany (anatiny sy ivelany):
Manampy ny Fiangonana amin’ny fitsinjovana ireo mahantra sy kambotin’ny Fiangonana sy ny asa hafa toy ny fanitarana
Mandray anjara amin’ny Asa Fitoriana Filazantsara any am-ponja, Université
Manao Tafika Masina any amin’ny jumelage ary manao asa soa
JOBILY faha-25 taona (1986 – 2012): “Izay mino Ahy, ny as ataoko no hataony koa” (Jao. 14: 12); 20 Jolay 2012 no ivon’ny fankalazana.
· Isan’ny olon nivoaka tao:
MAMA TOBY (01)
MPITANDRINA (02)
· Fotoanan’ny sampana:
-Isaky ny Zoma hariva manomboka amin’ny 6 ora arahina asa fampaherezana
-Ny maraim-baovao isa maraina misy asa fampaherezana
-Ny Alahady faharoa tolakandro misy asa fampaherezana.
- Alahady faharoa amin’ny 4 ora folakandro. Misy asa fampharezana.