SAMPANA MPANAZAVA SY TILY

  • Anarany: Sampana Mpanazava sy Tily
  • Daty niorenany: 1943

Tamin’ny taona1943 no nisian’ny Tily voalohany teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V, ka sampana maitso sy mena no niandohany.Izay no nahatonga azy ho Fivondronana faha II, eto anivon’ny Faritany Mpanazava sy Tily Atsinanana. Ny taona 1953 indray vao nisy ny sampana mavo na Lovitao; ary ny taona 1958 vao niorina ny Mpanazava.

Nandray anjara tamin’ny asam-piangonana hatrany ny Mpanazava sy ny Tily nandritra ny 50 taona voalohany, amin’ny maha fikambanana teo anivon’ny fiangonana azy ireo.

Tamin’ny 14 aogositra 1993 vao natao hoe Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI) rehefa nankatoavin’ny FJKM ho isan’ny sampana ao amin’ny FJKM ny Mpanazava sy ny Tily.   

  • Asa sahaniny:

Ny SAMPATI dia tsy fikambanan’ny ankizy na tanora fa fikambanana manabe azy ireo.

  • Asa fanompoana:
  • Eo anivon’ny Fitandremana:

-Manatanteraka ny fotoam-bavaka isaky ny 24 desambra alina: fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Marihina manokana fa miova isan-taona ny lohahevitra entina manatanteraka izany.

-Mandray anjara amin’ny litorjia sy ny hira alahady maraina,ny alakamisy faha 4 amin’ny fiombonan’ny sampana ao amin’ny AFF, ary ny fanadiovana ny fiangonana,araka ny fandaminana.

-Mandray anjara amin’ny fandaminana sy fananganana ny foto-drafitr’asa, rehefa misy hetsika lehibe hatao sy araka ny filan’ny fiangonana: manao securité; manangana hazo noely, manao fanentanana, mandray anjara amin’ny asa tana-maro teo amin’ny fanitarana ny Fiangonana, sns.

-Mandray anjara sy mampiantrano ny lohavolan’ny SAMPATI Synodam-paritany, ny alahady fahatelo amin’ny volana, araka ny fandaminana

  • Ivelan’ny Fitandremana:

Famangiana ny zana-piangonana Nierenana, arak any fandaminan’ny Fiangonana.

Mandray anjara feno amin’ny fiofanana, fihaonambe sy zaikabe isan-tsokajiny (Synodam-paritany, Foibe SAMPATI, Faritany Mpanazava sy Tily Atsinanana, Foibe Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara).

Asa fitoriana filazan-tsara any amin’ny “jumelage” sy ireo fiangonana madinidinika manodidina amin’ny alalan’ny “Noelim-pivondronana”.

Manao asa soa ho an’ny mpiara-belona, amin’ny sehatra rehetra azony anatanterahana izany: manadio tanàna, vonjy aina, fandaminana, sns.

  • Zava-kendrena:

Hahatonga ny ankizy sy ny tanora beazina ao aminy ho tia an’Andriamanitra sy hahalala Azy ao amin’i Jesoa Kristy, ka ho vonona hiasa ho an’ny fiangonana sy ny tanindrazana ary ny mpiara-belona aminy ao anatin’ny fifehezan-tena sy fanarahana ireo fitsipika mifehy ny fikambanana.

·        Ireo filoha nifandimby:

Tany ampiandohana dia Andriamatoa RANDRIANASOLO (Tarika Voanio) no nitantana ny Fivondronana II.

-Ireto avy ireo filoha nifandimby nitantana:

  • RANDRIANASOLO (1943)
  • RABEARIVELO Velonirina Rosine
  • RASAMIMANANA Désiré
  • RAMANAMAHEFA Edouard
  • DEWA Ramdge
  • RAKOTOMALALA Oswald
  • RAKOTOMALALA Teofilo
  • RAKOTO Daniel
  • RANOROSOA Yolande
  • RASAONINA Isabelle
  • RASOLOHARINDRANTO Lala Julien
  • RAKOTOFIRINGA Alexis (2014 – 2015)
  • RAKOTONDRANAIVO Lalanirina (2015 – 2018) 
  • RAKOTONIAINA Gérard (Filoha KARAOKA Mailaka)(2019-      ).  

-Mambra ao amin’ny biraon’ny komity mpitantana (2019 –   )

  • Filoha : Filoha KARAOKA Mailaka
  • Filoha mpanampy :ANDRIANAMBOARINA Schneider
  • Mpitahiry vola : RASOANANTENAINA Vololona
  • Mpitantsoratra ny vola . IAFIA
  • Mpitantsoratra ny fivoriana :RANDRIAMAHEFA Tojo  Nirina
  • Mpanolotsaina :RANDRIAMAMONJISOA Falihery           Nantenaina
  • Mpanolotsaina :ANDRIANIRINA Sharman Fanja

-Ireto avy ireo Tonia Mpanazava nifandimby:

  • VOAMBOANA(1992 – 1995)
  • BOSY Mahavatra (1995 – 1998)
  • ZETRY
  • SAFIRA Mikalo                               —
  • ROFIA (2000 – 2005)
  • HAREFO (2007 – 2008)
  • LANDY Mahefa (2014 – 2015)
  • TSIPARA Kinga (2017 – 2018)
  • GRAFITA Sahy (2019 –    )

 Ireto avy ireo Tonia Tily nifandimby :

  • RASAMIMANANA Désiré (taona 1977)
  • RATSIAZOMBOLA Jean Jacques                                 
  • RAMANAMPAMONJY Eddy Laurent              
  • KARAOKA Mailaka                               
  • Jimmy (1992 – 1995)
  • BOBAKA Mpihavotra (1995 – 1998)
  • TSIDY Matsilo (1998 – 2000)
  • SAMOINA Mandrindra (2000 – 2005)
  • SOLO Ferdinand Séraphin (2005 – 2005)
  • KAPIKA Mahatoky (2009 – 2014)
  • FITATRA Mikalo (2014 – 2015)
  • KILANDY Mitsinjo (2015 – 2017)
  • RAKOTONANDRASANA Bertrand (2017 – 2019) 

 Ireo Filoha Mpanabe: Ny Fivondronana II no manana Filoha Mpanabe betsaka indrindra, na Mpanazava na Tily, aty amin’ny Faritany Atsinanana.

  • Mpikambana Mpitantana:                    

  Miisa 25 ny Komitim-pivondronana, na antsoina koa hoe Komity Mpitantana, izay ahitana ny birao (olona 7), ireo Tonia Mpanazava sy Tily, ny solon-tenan’ny Mpiandraikitra iray isaky ny Sampana izay voafidin’ny Filan-kevitry ny Mpiandraikitra, ny solontenan’ny Ray aman-drenin’ny mpikambana sy ny Mpanabe ary ny Mpanohana. Efa hitantsika tany aloha ireo Filohan’ny Komitim-pivondronana nifandimby nitantana ny Fivondronana II.

  • Mpikambana Mpanohana:                    

Tamin’ny taona 2004 no niforona ny ZMT na Zokin’ny Mpanazava sy Tily teto Betela Tanambao V, ka 12 no isan’ny mpikambana tany ampiandohana.

31 jolay 2011: no nanokanana azy ireo ho FMT2S na Fikambanan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza.

 Ny asa sahanina:

o  miahy ireo zandriny ao amin’ny mpanazava sy tily amperin’asa;

o  manao ny asan’Andriamanitra sy ilay fanekena natao teo anatrehan’Andriamanitra.

 Ny zava-kendreny: mifanompo amin’ny fanetren-tena.

 Ny nanamarika ny fiainany:                                  

Anisany nanamarika ny fiainan’ny FMT2S ny famonjiana ny zaikabe voalohany tany Antananarivo tamin’ny 2-3-4 Septembra 2014.

 Ireto avy ny Filoha nifandimby nitantana ny FMT2S:

  • PAUL Aimé na I Dada Poly (taona 2004
  • RANDRIAMANARIVO Hery (2005 – 2016)
  • RASOARIMALALA Céline (2016 – 2019)
  • RAMAROKOTO Mery Odile (2019 –   )

Ireto ny birao mitantana ny FMT2S (2019 –   )

  • Filoha : RAMAROKOTO Mery Odile
  • Filoha Mpanampy : RANDRIAMANANTSOA Serge Alda
  • Mpitantsoratra : R. Akoniaina Tsiry Domoina
  • Mpitantsoratra ny vola : RANDRIAMAMONJISOA N. Harimanitra
  • Mpitahiry vola : RANDRIAMANANTENA Tantely
  • Mpanolontsaina : RAZANAJAFY Albertine sy    RAFARASO Beby                                                       

-FOMBA FIASA

Ny fomba fiasa dia manaja tanteraka izay voafaritry ny fitsipika SAMPATI FJKM.

  • Ny Fivoriambe no mifidy ny Birao miisa 7 sy ny Komitim-pivondronana.
  • Ny Filan-kevitry ny Mpiandraikitra no mifidy ny ho Toniam-pivondronana sy ny Mpiandraikitra ary ny Komitim-pivondronana no manolotra azy ireo any amin’ny Foibe MTEM.
  • Ny fanapahan-kevitra mikasika ny fiainan’ny sampana dia raisina eo amin’ny fivoriambe.
  • Mametraka ny rafitra anatiny ho fitaovam-piasana izay miainga sy mifototra amin’ny fiainam-bondrona ka mipaka hatrany amin’ny Komity (KP, Tonia, MP, LS).

Fanazavana:

Raha misy hafatra hampitaina na asa hatao, dia miainga avy amin’ny vondrona no mandray sy mampita ny hafatra miainga na mankany amin’ny LS – MP – Tonia – KP ; na KP – Tonia – MP – LS.

-FOTOANAN’NY SAMAPNA

a.      Ny talata hariva amin’ny 06 ora:

 i.     fivorian’ny Mpiandraikitra: fampitana ny vaovao sy ny tsara ho fantatra, ary fandaminana ny fandaharana; ny Tonia no mitarika.

 ii.     fivorian’ny Mpanohana (nanomboka tamin’ny taona 2018): fotoam-bavaka, fifampizarana talenta, fampitam-baovao.

b.     Ny sabotsy hariva:

 i.     02 ora sy sasany: fivoriana miaraka amin’ny beazina.

 ii.     04 ora: fivorian’ny Mpanohana.

 c.      Ny alahady fahatelo amin’ny volana: lohavolan’ny SAMPATI Synodam-paritany, faritra afovoany, ka fiaraha-mivavaka amin’ireo Fitandremana rehetra eto antampon-tanàna no atao, izay arahina asa sy fampaherezana hiarahana amin’ny SAFIF avy ao amin’ny Fitandremana mpampiantrano. Amin’izany koa no andraisana ny toro-marika sy ny tsara ho fantatra ary ny fandaminana rehetra.