SEKOLY ALAHADY 

·        Daty niorenany: Taona 1930

Niorina tao Ambohijatovo avaratra ny Sekoly Alahady voalohany teto Madagasikara

 1938: 6 no isan’ny mpampianatra Sekoly Alahady tao Tanambao V.

1945-1952: 40 no isan’ny mpampianatra tamin’izany.

1952: Nitombo isa ny mpianatra.

1958: 9 no isan’ny mpampianatra Sekoly Alahady. Nitombo 80 ny isan’ny mpianatra

·        Asa sahaniny:

Fanorenana sy fampitomboana ny finoana amin’ny alalan’ny fianarana ny tenin’ Andriamanitra sy ny fanaovana ny asan’Andriamanitra samihafa izay miompana amin’ny Fitoriana ny Filazantsara

Fandraisana anjara amin’ny fanadiovana ny Fiangonana sy fiaraha-miasa (fitaterana parpaing sy fasika ary vatokely hanaovana fototra).

Ny fomba fiasa moa dia ny Sekoly Alahady no miandraikitra ny fihetsiketsehana rehetra ary ny fanafanana ny fitsangatsanganana ( amin’ny kilalao maro samihafa).

 ·        Zava-kendrena :

Fahaizana Baiboly

Fivelomana amin’ny Tenin’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Fitsipika Fototra hoe « Ny Sekoly Alahady dia mampianatra ny olona rehetra handray nyTeny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny mahazanak’Andriamanitra azy tokoa


IREO FILOHA NIFANDIMBY




1945-1952.

1952-1962.

1962-1964.

.1965-1966

1967-1975



1976-1986

1987-1990

1991

1992-1993

1993-1994

1994-1995



1996-2006


2007-2010

2010-2014

2014-


RAMAROSANJY

RABEZANDRINY Daniel.

RAMAROSANJY

RABEZANDRINY Daniel.

ANDRIAMPARANY Jean Baptiste Alexandre

RAMANAMAHEFA Edouard

RAZOARISOA Julienne

RAMANAMAHEFA Edouard

RAMANAMAHEFA Edouard

RAKOTONARY Mamihasimanana

RABENANDRONAHARINTSAINA Michel

RADAVIDSON Ranivoarimanana Jacquie

RANAIVOARIMANANA André

RAKOTOSON Erick

RAKOTONARY Mamihasimanana

BIRAO ANKEHITRINY (2019 – 2022)

Filoha: RAKOTONARY Mamihasimanana

 Filoha mpanampy I: RAKOTOARISOA Solofanja

Filoha mpanampy 2: SOLOHERY

 Mpitantsoratra ny vola : RAZAFINDRAVAO Mpitantsoratra ny fivoriana: RAZAFINTSEHENO Lalao

 Mpanolotsaina : – OLGA

              – MIHARISOA

             – RAHANTAMALALA Georgine


                               FOMBA FIASA

– Mpianatra 10 isaky ny mpampianatra ary mpampianatra 3 ho an’ny mpianatra efa lehibe.

– Isaky ny Asabotsy maraina amin’ny 6ora dia misy ny fotoanan’ny mpampianatra : fiaraha-mivavaka misy fanazavana tenin’Andriamanitra ary na dinik’asa no atao amin’izany.

 – Asabotsy maraina amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 10 ora no fianaran-kiran’ny Sekoly Alahady

 – Asabotsy faharoa ny volana amin’ny 4 ora tolakandro : Tafika Masina ataon’ny mpampianatra.

– Indray mandeha isan-taona no fiarahan’ny Sekoly Alahady mivoaka.

– Misy ny fiarahan’ny mpampianatra sy ny solotenan’ny Ray amandReny isaky ny faran’ny volana Janoary.