SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; ry lehilahy mahery”
(2 Tim 1:8a , Mpits 6:12b)
I- TANTARANY
1 Aogositra 1879 : “Sosaity Ifampandrosoam-pahendrena” na ‘Fikambanana Tovolahy” natsangana tao amin’ny Fiangonana Protestanta LMS – Ambatonakanga.
1926 : “Fikambanana Tovolahy Kristiana” niforona tao amin’ny Fiangonana Protestanta MPF – Ambatolampy Gara.
1972 : Nijoro ny “Fikambanan-dehilahy” rehefa nitsangana ny FJKM ny taona 1968, fa mbola tsy Sampana izy tamin’izany.
1982 : “Sampana Lehilahy Kristina” nanomboka tamin’ny Synôda Lehibe faha-VIII tany Antsiranana
II – ANTOMPISIANY
Ny Sampana Lehilahy Kristiana izay najoro araka ny fotodalana sy fitspika FJKM and.21-8 dia SAMPANA IRAY MITAIZA SY MANOLOKOLO NY MAHA-OLONA NY LEHILAHY ho fampandrosoa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Nankatoavina ho ara-dalana tamin’ny SYNODA LEHIBE FAHA-VIII tany Antsiranana tamin’ny taona 1982.
III- FOTO-KEVITRA ARA-TEOLOJIKA
– Mitaona sy mitarika ary mampirisika ny lehilahy mba hanankina ny fiainany sy ny ankohonany amin’Andriamanitra ka hahatsiaro azy mandrakariva (Josoa 24:15)
– Modely halain-tahaka amin’ny Finoana an’i Jesoa Kristy (1 Tim.2:8)
– Mitory sy manambara ny tenin’Andriamanitra sy ny famonjen’i Kristy (Tit.2:1-2)
-Mandray andraikitra eo amin’ny fanolokoloana sy fitaizana ary fanabeazana ny olona manontolo
IV- ZAVA-KENDRENA
HITORY NY FILAZANTSARA amin’ny olona rehetra indrindra fa ny lehilahy mba hahatonga azy ho LEHILAHY KRISTIANA mpitarika mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, ka mba ho “LEHILAHY LEHIBE MAHATRATRA NY OHATRY NY HALEHIBEN’NY FAHAFENOAN’I KRISTY” (Sal.22 :22, Efes.4:13)
· SLK BETELA TANAMBAO V
I – FIORENANY :
- Tany ampiandohana, 5 mirahalahy notarihin’i Dada Paul, zay nikasa hanangana SLK teto amin’ny FJKM Betela Tanambao V Tanteraka izany tamin’ny volana Aogositra 1986.
- Toy SLK rehetra maneran-tany dia manaraka feno ny Foto-kevitra sy ny zava-kendren’ny SLK FJKM ny SLK Betela Tanambao V. Manaraka ny ambaratongan-drafitra voarafitry ny SLK FJKM ihany koa ka misy ny Birao sy ny Komity ary ny Fivoriambe
- Teny Faneva : « Mifankatiava tahaka ny mpirahalahy » (1 Petera.3:8b)
II – ASA SAHANINY
A. Fiainan’ny sampana:
- Fotoam-bavaka talata hariva amin’ny 6 ora hariva: fanompoam-pivavahana andraisan’ny mpikambana rehetra anjara, handraisana ireo mpikambana vaovao, fandraisana fanapahan-kevitra, ary koa hanatanterahana ny fivoriambe (raha ilaina).
- Fianaran-kira: atao ny Talata hariva ho fiomanana ny alahadin’ny SLK FJKM sy ireo hetsika samihafa
- Fampianarana: atao isaky ny Talata voalohan’ny volana. Hitomboana amin’ny fahalalana ny Soratra Masina sy ny tsara ho fantatra rehetra.
- Vondrom-bavaka any amin’ny tokantranon’ny mpikambana izay mangataka, isaky ny alahady fahatelo sy fahadimy. Misy asam-pifohazana sy rojom-bavaka.
- Fiaraha-mivavaka alahady faharoa, tolakandro: lohavolan’ny SLK Synodam-paritany faritra afovoany, ka mifandimby ny Fitandremana mandray izany.
- Loabary an-dasy in-droa isan-taona: Fisitahana kely ivelan’ny Fiangonana ny Talata hariva hifanolorana hevitra hampandrosoana ny sampana sy hanamafisana ny firahalahina eo amin’ny mpikambana.
- Alahady faharoa ny volana Febroary. Fifampiarahabana noho taom-baovao hiarahana amin’ny ankohonana.
- Famangiana sy fiaraha-miory amin’ny mpikambana tojo fahoriana (maty tena, maty vady,maty zanaka, maty ray aman-dreny, maty mpiray tam-po)
- Famangiana ny mpikambana marary na an-trano na eny amin’ny hopitaly
- Fanampiana ny mpikambana tojo olana na tra-boina(Fitondrana amam-bavaka, tolo-tanana)
B. Asa fanompoana:
i- Eo anivon’ny Fitandremana:
- Mandray anjara amin’ny litorjia Alahady maraina sy Alakamisy fahatelo amin’ny fiombonan’ny sampana ao amin’ny AFF, ary fanadiovana ny trano Fiangonana araka ny fandaminana.
- Mandray anjara hira isaky ny Alahadin’ny SLK FJKM
- Manangana foto-drafitr’asa araka ny filan’ny Fiangonana: ny “hangar” roa teo amin’ny Fiangonana sy ny Sehatra Fiderana. Fanokanana ny Sehatra Fiderana 13 May 2012.
- Mandray anjara ami’ny Fitoriana ny Filazantsara tanterahan’ny AFF any amin’ny « jumelages » sy tanterahan’ny Fiangonana isan-taona.
ii-Ivelan’ny Fitandremana:
- Any amin’ny zana-piangonana « Jumelages »
-Mitory Filazantsara ankalamanjana (sarimihetsika, Rindrankira) sy isan-tokantrano miaraka amin’ny Fiangonana any an-toerana.
-Manangana trano Fiangoanana vaovao sy manarina ireo trano Fiangoanana rava (Sahamamy, Marovola, Antogobato).
- SLK Foibe sy SLK Synodam-paritany
-Miara miasa amin’ny SLK Foibe sy ny SLP SP31 amin’ireo asa iombonana : 16 Martsa 2013 ,notarihin’ny Raiamandreny Mpitandrina SAONINA mivady ,niatrika ny fametrahana ny vato fehizoron’ ny ivontoeran’ny SLK FJKM izay naorina tany Foulpointe ho tsangambato ny faha-30 taona nijoroan’ny Sampana Lehilahy Kristiana teo anivon’ny FJKM. Fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny Kolejy David Jones. Fananganana ny tamboho any amin’ny Ivon-toerana SLK Foibe any Foulpointe.
-Miatrika ny isan-kerintaona SLK SP 31 sy ny Famangiana ny Fiangonana any amin’ny faritra avaratra sy atsimo.
-Miatrika ny Fihaonambe Nasionaly SLK FJKM sy ny Zaikabe. Ireo Fihaonambe efa natrehina : Mahajanga, Ambatondrazaka, Toliara, Tôlagnaro, Nosy Be, Arivonimamo, Ambatomanga.
II – RAFITRA
· FILOHA NIFANDIMBY
I – RAKOTOMALALA Gilbert Oswald (
II – ANDRIAMAMPIELY Wlliam
III – RABEZAHANA
- BIRAO (2019-2023)
Filoha : RABEZAHANA
Filoha Mpanampy 1 :ANDRIAMIRAMA Escande
Filoha Mpanampy 2 : RAKOTOMALALA Bertrand
Mpitahiry vola : RAELISON Rajaona
Mpitantsoratra ny Vola :RAPATSALAHY Volatahiry
Mpitantsoratra ny Fivoriana :RAKOTOSON Ely Mamy
Mpanolotsaina 1:RAJAONESA Gabriel
Mpanolotsaina 2: RAKOTONIRINA Eugène
- VAOMIERA (2019 – 2023)
-Vaomieran’ny ara-panahy: miandraikitra ny fiainam-panahin’ny Sampana (mitondra amim-bavaka ny asa, ny mpikambana misy olana, …..)
Filoha : RANDRIAMAMPITOVY Henri
-Vaomieran’ny asa : mandamina sy manatanteraka ny asa amin’ireo hetsika ataon’ny sampana (fandrahoana sakafo, fandaminana rehefa misy rindrankira atao, …)
Filoha : RABEARIVELO Joselyn
-Vaomieran’ny vola : miara miasa amin’ny mpitahiry vola amin’ny fandaminana sy fanangonam-bola rehefa misy hetsika ataon’ny sampana (famoratana tapakila,….)
Filoha : TOLOJANAHARY Tinarivo
-Vaomieran’ny serasera: miandraikitra ny fifandraisana ao anatiny sy ny any ivelany, mitazona ny tambazotra sosialin’ny sampana (FB: Slk Betela Tanambao V)
Filoha : RALAIARISOLO Haja Patrick
- FARITRA (2019 – 2023)
Nozaraina ho faritra efatra ny toeram-ponenan’ny mpikambana ato amin’ny SLK Betela Tanambao V:
Faritra I : Voirie, Cité Nouvelle Ville, Tanamakoa, Valpinson, Analakininina Hopitaly Be, Morafeno, Salazamay
-Filoha : RAKOTOARIVELO
Faritra II : Ankirihiry, Mangarano, Mangarivotra, Ambodisaina, Tsarakofafa, Andranomadio, Barikadimy
-Filoha : RAFARALAHY Solofoarison Nirina
Faritra III : Tanambao V , Ambolomadinika
-Filoha : ANDRIANIAINA Rija Augustin
Faritra IV : Bazar be, Bazar Kely, Tanambao I, II, III, Anjomà, Cité Canada, Morarano, , Dépôt Analakinina
-Filoha : RASOLOFOMANANA Andriamihanta Richard
- KOMITY
Birao + Filoha ny Vaomiera + Filohan’ny Faritra
- FIVORIAMBE
Birao + Filoha ny Vaomiera + Filohan’ny Faritra + mpikambana SLK rehetra.
III – LOHARANOMBOLA
- Latsakemboka : 5 000 Ariary isan-taona ataon’ny mpikambana rehetra.
- Rakitra : isaky ny Talata sy amin’ny « cellules de Prière »
- Vokadehibe : Isaky ny alahadin’ny SLK FJKM (Alalahady faharoa amin’ny volana mey)
- Rindran-kira: Loharanombola sy fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny hira, seho an-tsehatra, hatsikana samihafa, eto an-toerana sy any ivelany (FMTA Ambolomadinika, FJKM Maromamy,…) ka efa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo antokom-pihira na Tarika ara-pilazantsara toy ny SAOTRA & DERA, AMPIFITIA ; les Adeline, Antsan’I Kristy, Pasteur Jackie, Frere Hery, Joseph d’AF.
- Ny gazety “Ilazao”:Gazety mivoaka isam-bolana na nomboka tamin’ny volana Desambra 2008, iaindreketan’ny vaomieran’ny serasera.
- Seminera Lehibe : hiantsoana Mpitandrina na Mpanabe any ivelany ary hanasana ny Lehilahy rehetra ato anatin’ny Fiangonana sy ny SLK ao amin’ny SP 31. Santioanany tamin’ireo seminera efa natao :
– Alatsinainy 14 sy ny Talata 15 martsa samy nanomboka tamin’ny 6 ora hariva, nataon’I Pasteur DINA , FJKM Analakely.
– Sabotsy 13 MAI 2017 nanomboka tamin’ny 4ora sy sasany, nataon’i Pasteur Irako ANDRIAMAHAZOSOA , filohan’ny FJKM.
– Sabotsy 13 MAI 2018 nanomboka tamin’ny 4 ora, nataon’i Docteur RAZANADRAKOTO Haritiana, President de la Paroisse Internationale sady Professeur à la faculté de théologie Ambatonakanga
· Seminera lehibe:
– Notanterahana teto Betela Tanambao V ny ALATSINAINY 14 SY NY TALATA 15 MARTSA 2016 samy nanomboka tamin’ny 6 ora hariva, nataon’I Pasteur DINA , FJKM Analakely.
– Asabotsy 13 Mey 2017 nanomboka tamin’ny 4ora sy sasany, nataon’i Pasteur Irako ANDRIAMAHAZOSOA , filohan’ny FJKM.
– Asabotsy 13 Mey 2018 nanomboka tamin’ny 4 ora, nataon’i Docteur RAZANADRAKOTO Haritiana, President de la Paroisse Internationale sady Professeur à la faculté de théologie Ambatonakanga
·