VAOVAOM-PIANGONANA

BIRAO FOIBE FJKM

Taorian'ny fifidianana ny Filohan'ny FJKM, ny alin'ny alarobia 20 aogoistra 2025, dia niroso tamin'ny fifidianana ireo mpikambana 4 hafa handrafitra ny Birao Foibe FJKM. Tanteraka soa aman-tsara izany ka ireto no mandrafitra ny Birao Foibe FJKM ao anatin'ny 4 taona : 

  • Filoha : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina
  • Filoha Mpanampy Mpitandrina : RAKOTONAVALONA Maholy
  • Filoha Mpanampy Laika : RAZARASOA Timoty
  • Mpitahirivola : DISAINE Lala
  • Mpanolotsaina Mpitandrina : RADIMISAON Andriamasinjara Jonah
  • Mpanolotsaina Laika : RANDRIAMASINORO Tahiry Ny Rina

Lany ho mpiandraikitra foibe eto amin'ny Synodam-paritany Toamasina Vavahadin'ny Filazantsara   SP 31 Atoa RANDRIANATOANDRO Andriamampionona, Mpitandrina FJKM Ziona Salazamay.

Dr. ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina.
Filoha faha VI ny FJKM (2025 - 2029)

Ny alin'ny Alarobia 20 aogositra 2025 no nanatanterahana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasika. Andro famaranana ny Synoda Lehibe Faha XX io, izay notanterahina tao amin'ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro, Synodam-paritany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona.

Rehefa vita ny fifidianana ny Mpiandraikitra Foibe izay naharitra roa andro dia niroso tamin'ny fifidianana izay ho Filohany izy ireo. Marihina fa tsy maintsy mahazo vato 2/3 ny mpifidy ny mpitandrina iray vao lany ho Filohan'ny FJKM. Mikato-trano tsy azo hatrehina ny be sy ny maro ny fifidianana ary tsy maintsy manatrika izany ny 3/4 ireo manana zo hifidy vao azo tanterahina.

Lany ho filohan'ny FJKM sy Filohan'ny Mpiandraikitra Foibe FJKM tamin'ny vato 177 isa raha toa ka 143 isa no takiana ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy. Izy indray zany no hitantana ny FJKM ao anatin'ny 4 taona (2025-2029). Izy dia tsy olom-baovao amin'ny Kristiana FJKM satria efa Filoha Mpanampy Mpitandrina nandritra ny taom-piasan'ny Filoha teo aloha, IRAKO Andriamahazosoa Ammi. Izy no hitarika ny FJKM hanatanteraka ireo hevitra tapaka tao amin'ny Synoda Lehibe faha XX. Ka ny teny faneva vaovao dia : "MAHEFA BE MANDRAKARIVA AMIN'NY ASAN'NY TOMPO" (I Korontiana.15:58e). Izy no Filoha fahahenin'ny FJKM tao anatin'ny 55 taona (1968-2025) :

  • RASENDRAHASINA Titus (1968-1972)
  • RAMAMBASOA Joseph Joelson (1972 - 1992)
  • RAZAFIMAHEFA Edmond (1992-2004)
  • RASENDRAHASINA Lala Haja (2004-2015)
  • IRAKO Andriamahazosoa Ammi (2015-2025)


TOTOFENO Théïs Elia, Mpitandrina. Niatrika ny Synoda lehibe faha XX

Ny 13 - 20 aogositra lasa teo no nanatanterahana ny Synoda Lehibe faha XX ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ka tao amin'ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro, Synodam-paritany Ambovombe Kristy Ranovelona no nampiatrano izany. Amin'ny maha mpiandraikitra Foibe ny mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia dia isan'ireo niatrika izany Synoda Lehibe izany izy. 

Nisy ny tonom-bola notanterahin'ny Fiangonana nanampiana azy ka nafahany nandeha fiaramanidina ka ny talata 12 aogositra no tonga soa ama-tsara tany Toalagnaro izy.

Niatrika ny fanompoam-pivavahana fanokafana sy ireo fivoriana maro samihafa izy. Fa nanda kosa ny fanolorana azy; ary tsy nanolo-tena ihany koa; hanohy ny asa maha mpiandraikitra foibe.Ny antony hoy izy dia ny "mba hafahako mifantoka bebe kokoa amin'ny andraikitra napetraky ny Foibe FJKM aho dia ny maha Mpitandrina vaovao ahy ao amin'ny FJKM Betela Tanambao V"  

Nisy ny fizarana mari-pankasitrahana ireo mpiandraikitra foibe teo aloha ka isan'ireo mpiandraikitra foibe 150 isa nahazo izany ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia. 

 Taorian'ny fiatrehana ny Synoda Lehibe dia nadeha niala-sasatra izy satria fotoana fialasatry ny mpitandrina eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V ny volana aogositra. Ny sabotsy 30 aogositra no tafaverina taty Toamasina izy namonjy ny famaranana ny fankalazana ny faha-55 taona ny Sampana Vokovoko Manga FJKM; izay natao teto amin'ny FJKM Betela Tanambao V.

FORA ZAZA FAOBE

Misaotra an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny sabotsy 2 aogositra ny Forazaza Faobe ka nahatratra 41 ny isan'ny Zaza tonga niatrika izany. Hetsika fanaon'ny ny Association Médico-social isan-taona izy ity; izay iombonan'ireo dokotera sy "paramed" mivavaka eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V.

Manaraka ny fenitra ara-pahasalamana tanteraka ny fanaovana izany. Nanampy azy ireo ny mpianatra ho "paramed" avy eny amin'ny Station FJKM Anjoma.

Niatrika ny fanatanterahana ny fora zaza ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia sy Neny Dety (Birao FLD)

FLD FJKM Tangaina Fanantenana nivahiny teto Toamasina

Ny firahalahian'ny Loholona sy ny Diakona (FLD)avy any amin'ny FJKM Tangaina Fanantenana Synodamparitany Antananarivo Atsimo Atsinanana SP 11 , notarihin'ny Mpitandrina RANDIMBIALISON Johary Fanomezantsoa dia tonga nivahiny sy niatrika fiofanana teto amin'ny FJKM Betela Tanambao V nanomboka ny zoma 01 Aogositra. Nandray anjara tamin'ny fampiofanana azy ireo ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia.

Niombom-bavaka tamin'ny Kristiana teto an-toerana izy ireo ny alahady 03 aogositra ka ny Mpitandrina RANDIMBIALISON Johary Fanomenzantsoa no nitondra ny hafatr'Andriamanitra niompana tamin'ny lohahevitry ny FJKM hoe : Mifampahery ny mpino.

TOTOFENO Théïs Elia, Mpitandrina; hiatrika ny Synoda lehibe

Amin'ny maha Mpiandraikitra Foibe azy dia isan'ireo hiatrika ny Synoda Lehibe ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia. Ny 13 - 20 Aogositra hoavy izao no hanatanterahina ny Synoda Lehibe faha XX ao amin'ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro Synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona (07). Marihina fa tsy ny mpitandrina sy Laika rehetra no miatrika ny Synoda Lehibe fa olona voafaritra manoka araka ny foto-dalana FJKM : Ny Filohan'ny FJKM na Filohan'ny Mpiandraikitra Foibe, ny Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe na Birao Foibe FJKM, Ny Mpiandraikitra Foibe, Ny Filoha Synodaly, ary solon-tena henina (6) isaky ny Synodam-paritany. Eo amin'ny 400 isa mahery eo zany no hiatrika ny Synoda lehibe miaraka ireo mpandraharaha sy teknisiana samihafa. 

Ny Synoda Lehibe no ambaratongan-drafitra ambony indrindra eto amin'ny FJKM. Ao no manapaka ireo fitsipika sy foto-dalana samihafa, ao no mifidy ireo mpiandraikitra Foibe, ireo Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe ary ny Filohan'ny Mpiandraikitra Foibe sady Filohan'ny FJKM.

Noho izany dia iankinan'ny fiainan'ny FJKM sy ny hoaviny ity Synoda Lehibe ity ka tokony hivavaka mafy isika mba hotarihin'ny Fanahy Masina ka ny tena sitrapon'Andrimanitra no ho tanteraka.

VOAHANGINIRINA Malalatina Zyna

Afaka tamin'ny fanadinana mpiomana ho Mpitandrina Taona voalohany 2025 . Izy dia mpandray fanasan'ny Tompo eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V ary mpikamba ao amin'ny Sampana Vondrona Fototra Laika. Marihina fa niara-nanala fanadinana izy mivady fa izy no afaka. Ny vadiny moa dia mpikambana ao amin'ny Sampana Lehilahy Kristiana.

Any amin'ny Toeram-panomanana Mpitandrina (TPM) Ambatondrazaka izy no hadranto fianarana ka manomboka amin'ny 16 septambra 2025 ny taom-pianarana. Marihina fa kilasy mandry ny fianarana ka voatery hisara-toerana amin'ny ankohonany izy mandritra ny taom-pianarana. Misy ny vatsim-pianarana saingy kely dia kely izany satria 40 000 ariary isam-bolana ho an'ny taona voalohany.

Miarahaba azy isika ary mirary soa azy mba havita soa aman-tsara ny fianarana. Manentana antsika Fiangonana mba hitondra amim-bavaka azy sy ny ankohonany ary hanampy azy ara-bola sy fitaovana.

Niarahaba azy sy ny ankohonany ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia mivady sy ny Biraom-piangonana.

Homba azy mandrakariva anie ny Tompo


RANDRIANASOLO sy JOSEPHINE mivady no loharano nipoiran'ny Tarika NY VOANIO

Amin’izao fankalazana ny faha-60 taona izao dia maro ireo hetsika hokarakarain’izy ireo. Isan’izany ny seho hatao amin’ny sabotsy 2 aogositra amin’ny 4 ora ao amin’i CJST Toamasina hiarahany amin’ny Amboaram-beo AKON’I BETELA. Koa manasa antsika rehetra na isika taranaka ankehitriny na ianareo raimandreny nankafy ny Tarika Ny Voanio hatramin’izay, dia isika vahoakan’i Toamasina na ianareo mivahiny, fa indrindra isika mpiara-manompo eto amin’ny FJKM Betela Tanambao V mba ho tonga maro hanotrona azy ireo.

Ho anareo any Antananarivo kosa dia manome fotoana anareo ny Tarika Ny Voanio amin’ny Alahady 24 Aogositra tolakandro ao amin’i CCESCA Antanimena.


Tsy afa-misaraka amin'ny Tantaran'ny Fjkm Betela Tanambao V ny tantaran'ny Tarika Ny Voanio. Dada RANDRIANASOLO sy Mama JOSEPHINE dia isan'ireo raimandreny nikarakara ny taratasy nahazoana ny tany sy nanangana ny trano fiangonana ho trano vato ny FJKM Betela Tanambao V amin'ny toerana misy azy ankehitriny io ; niaraka tamin'ny Pasteur FETY Michel, RALIBENJA Raymond, RAKOTOARIVELO, RANDRIANASOLO Jean Baptiste. Ny taona 1952 no nanombohana ny asa fanorenana ary nametrahana ny vato fehizoro ka nanomezana ny anarana hoe : FIANGONANA MPF BETELA. Ny taona 1961 no nanokanana ny Trano Fiangonana izay nitondra ny anarana hoe FIANGONANA MPF BETELA, ka isan'ireo nanatrika izany nanome voninahitra an'Andriamanitra ny Antokompihira NY ALONDRANO (tanora zandriny).

Io antokompihira io no lasa Amboaram-peo AKON'I BETELA tamin'ny 17 may 1964 rehefa nivondrona ny tanora zandriny sy ny tanora zokiny ka Dada RANDRIANASOLO no Filoha nitarika izany. Manana talenta tamin'ny fitarihana sy famoronan-kira i Dada RANDRIANASOLO ka maro ireo hira noforoniny ho an’ny Amboaram-peo sy ho an’ny Tarika NY VOANIO ary efa filoham-pivondronana ny Tily sy Mpanazava teto amin'ny Fjkm Betela Tanambao V ihany koa izy tamin' ny taona 1943.

Dada RANDRIANASOLO sy Mama JOSEPHINE no ray aman-dreny niteraka an’izy 6 mianadahy dia : Dédé, Max, Clarisse, Monique, Pâquerette, Fara ; araka ny anarana nahafantarantsika azy ireo, nandrafitra ny Tarika NY VOANIO. Tamin’ny Taona 1965 no nananganan’i Dada RANDRIANASOLO ny Tarika NY VOANIO ; anarana nalaina tamin’ny teny frantsay hoe « COCO » ; satria tamin’ny fampisehoana nataon’izy ireo tamin’ny fifaninanan-kira natao teto Toamasina dia nosolain’i Dédé sy Max ny volony ka niantsoantso ny mpijery hoe : «COCO » « COCO ».

Ankehitriny àry dia feno 60 taona ny Tarika NY VOANIO. Mamelomaso azy ireo ny zafikelin’i Dada RANDRIANASOLO ao anatin’izany tontolon’ny kanto izany ka izy ireo no mitondra ny anaran’ny Tarika NY VOANIO ankehitriny ary mankalaza ny faha-60 taonany. Ireto ary ny mandrafitra ny Tarika NY VOANIO ankehitriny araka ny anarana mora iantsointsika azy ireo :

- Holy (2em voix, zanak’i Clarisse)

- Jocyah (1er voix zanak’i Dédé)

- Hanitra (1er voix taizan'i Fara)

- David (4 éme voix zanak’i Clarisse)

- Toky (3 éme voix zafin’i Monique)

- Cynah (1-2éme voix vinanton'i Fara)

- Gaell (mpitendry gitara beso sy mpamoronkira no filohany tarika ; zanak’i Fara)

- Sammy (gitara solo, zanak’i Dédé)

- Sahala (Namana mpiara manompo, Clavist )

- Aina (Namana mpiara manompo, clavist)

- Angelo (batteur, namana akaiky)

- Eli (Batteur, namana akaiky)

- Naivo (Mpikirakira sy mpandrindra, zanak’i Monique)

- Joëlle (Biographe sy mpandrindra, zanak'i Fara)

- Sylvain Rakoto (Mpiandraikitra ara-javakanto, vinanton'i Clarisse)

AKON'NY NOELY 2025

Tsy nisy fiovana fa Toy ny isan-taona ihany ny fandaharam-potoana teto amin'ny FJKM Betela Tanambao V tamin'ny fankalazana ny NOELY 2024.

Ny SAMPATI, no nanokatra ny fankalazana ny harivan'ny 24 desambra tamin'ny alalan'ny SASAKALINA izay nanehoan'izy ireo hatrany ireo seho samihafa toy ny tsianjery, dihy, hira. Fa ny nampiavaka ny seho tamin'ity taona ity dia ilay tantaran'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy nampifandraisana tamin'ny kolontsaina tena niainan'ny Jiosy tamin'izany fotoana izany izay naseho tamin'ny alalan'ny "écran géant".

Ny andron'ny KRISMASY dia fanompoam-pivavahana in-droa niditra ka nahatratra 7000 mahery ny isan'ny olona tonga niatrika izany. Ny Mpitandrina TOTOFENO Theis Elia no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina BARINARIVO Rajosoa, Filoha Synodaly SP31, no nitondra ny Tenin'Andriamanitra izay nalaina tao amin'ny Matio.1 :18 -25. "Ny fahatanterahan'ny Famonjena" no lohahevitra novelabelariny tamin'izany.

Maro ireo zaza natao batisa tamin'io andron'ny Krismasy io. Nisy ny Fandraisan'ny Tompo.

Alahadin'ny mpitandrina

. Alahady 1 desambra 2024

Ny alahady voalohany amin'ny volana desambra no natokana ho alahadin'ny mpitandrina eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V. Fotoana ankasitrahana ny mpitandrina mianakavy noho ny asa vitany tao anatin'ny taona ary hitondrana am-bavaka azy ireo. Io no alahadin'ny mpitandrina voalohan'i TOTOFENO Elia Theïs mianakavy teto amin'ny Fitandremana Betela.

Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny Biraon'ny Fiangonana. Nitondra ny Tenin' Andriamanitra:

- Martial Ranomenjanahary, Mpitandrina Tonian'ny SAFIF FJKM (1er culte)

- Rabehatonina James, Mpitandrina (2ème culte)

Tonga nanotrona azy ireo ihany koa ny solontenan'ny kristiana avy any amin'ny FJKM Ilaka Est. 

Nanolotra solontsaina (ordinateur portable) ho an'ny Mpitandrina ny biraon'ny Fiangonana. Ny FDL kosa dia nanolotra fanaka iray. Ny sampana, ny sampan'asa, ny Filohan'ny faritra ary ny kristiana rehetra dia samy nandroso teny amin'ny alitara niarahaba sy nanolotra tso-drano ho an'ny Mpitandrina TOTOFENO Théïs Elia mianakavy.

Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo ny fiaraha-mifaly tamin'io alahady io.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!

Fiarahabana tsingerintaona

  • Alahady 13 oktobra 2024

Toy ny fanao isam-bolana, isaky ny alahady faharoa; dia noarahabaina ireo kristiana mahatsiaro ny tsingerintaona nahaterahany amin'ity volana oktobra ity. Misy ihany koa ireo mahatsiaro ny nitsingerenan'ny taona nandraisany fahasoavana manokana; toy ny nanamasinana ny fanambadiany, ny nandraisany asa voalohany, .... Niarahaba azy ireo ny Fiangonana notarihan'ny Mpitandrina SAONINA, nisolontena ny Mpitandrina TOTOFENO Théis, izay tsy teo an-toerana. Ny Tenin'Andriamanitra natolotra azy ireo dia  ''Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.''— Salamo 37 : 5

VOKA-DEHIBE 2024

Endrika dimy no nentina nanatanterahana ny voka-dehibe tamin'ity taona 2024.

  • Fananteram-bokatra: maro ireo vahoak'Andriamanitra tonga nanatitra ireo vokatra samihafa toy ny akanjo, gisa, akoho, vary, menaka, fanaka,......Hatramin'ny sabotsy atoandro no fotoana nandraisana izany.
  • Lavantim-bokatra: navadika ho vola tamin'ny alalan'ny lavanty natao tao am-piangonana ireo vokatra voaangona. Maro ireo kristiana tonga niatrika izay ary dia lavo avokoa ny vokatra. 
  • Panier garni: Fizarana tapakila amin'ny vidiny 2000ariary izay natao isaky ny fanompoam-pivavahana ny alahady nandritra ny volana septambra ka olona iray isaky ny fotoam-bavaka no nahazo ny "panier garni" amin'ny alalan'ny fisarihana. Ny alahadin'ny voka-dehibe dia voritsiloza lehibe roa no natolotra hosarihina solon'ny "panier garni".
  • Solom-bokatra: ity kosa dia natao hoan'ireo zanaka am-pielezana eto Madagasikara sy any ivelany mba hafahan'izy ireo mandray anjara amin'ny alalan'ny mVola.
  • Valopim-bokatra : nozaraina telo ny valopy ka nisy ny natokana ho an'ny lehilahy, nisy ny natokana ho an'ny vehivavy ary nisy ny valopy "special" natokana ho an'ireo orinasa sy mpandraharaha lehibe.

Misaotra an'Andriamanitra fa tanteraka soa ama-tsara ny voak-dehibe 2024 izay nofaranana tamin'ny alahady 6 oktobra 2024. Ny tanjona hotratrarina dia 15 000 000 Ariary hoentina hanavaozana ny endriky ny tranon'Andramanitra ety ivelany sy ao anatiny. 

Nankasitraka ny Komity, notarihin'ny Filohany RANDRIAMANANTENA Roclain sy ny ekipany ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia tamin'ny ezaka nataon'izy ireo nentina niatrika iny voka-dehibe iny. Misaotra ny Sampana sy ny Faritra ihany koa tamin'ny fiaraha- miasa. Fa indrindra ny vahoakan'Andriamanitra rehetra tsy an-kavanaka, teto an-toerana sy ny any ivelany izay samy mandray anjara am-pitiavana. Eo ihany koa ianareo mpandraharaha rehetra izay nanome tolo-tanana ho amin'izany voka-dehibe izany.

ALAHADIN'NY KATEKISTA

  • Alahady 29 septambra 2024

Araka ny tapaka tany amin'ny Fihaonambe Nasionaly ny Katekista FJKM dia asiana ny Alahady iray isan-taona izay antsoina hoe Alahadin'ny Katekista. Alahady iray hitondrana amim-bavaka ny asan'ny katekista eo anivon'ny Fiangonana sy amin'ny Fitoriana ny Filazantsara. Anjaran'ny Fitandremana tsiarairay no manendry io fotoana io araka izay mahamety azy ka ny Alahady 29 septambra no natokan'ny FJKM Betela Tanambao V ho Alahadin'ny KATEKISTA Voalohany teto amin'ny Fiangonana. Maro ny asan'ny Katekista eto amin'ny Fitandremana izay iarahany miasa akaiky aminn'ny Mpitandrina sy ny AFF amin'ny fitaizam-panahy ny vahoakan'Andriamanitra sy ny Fitoriana ny Filazantsara :

  • Mitarika ny fanompoam-pivavahana ka mandamina ny fandaraham-potoana miaraka amin'ny Mpitandrina.
  • Manampy ny Mpitandrina amin'ny fampandraisana ny fanasan'ny Tompo.
  • Mitarika ny famangiana samihafa misolo-tena ny Mpitandrina amin'ny tsy fahafahany.
  • Manatanteraka ny fanompoam-pivavahana any amin'ny fiangonana "jumelages".
  • Mamangy ny marary any amin'ny Hopitaly sy mampahery ireo gadra any amin'ny fonja miaraka amin'ny AFF.
  • Mitarika ny Tafika Masina miaraka amin'ny AFF.
  • Manatanteraka ny fanompoam-pivavahana any amin'ny Faritra misy eto amin'ny Fiangonana amin'ny alalan'ny vondrom-bavaka.
  • Mitoriteny any amin'ny sampana samihafa misy azy.

Tena manao ny asan'Andriamatra an-tritrapo ny Katekista ary tena tanana ankavanan'ny Mpitandrina amin'ny fitaizana ny kirstiana ao anatin'ny Fiangonana. Rariny loatra raha misy ny Alahady atokana itondrana amim-bavaka sy hanohanana azy ireo amin'ny alalan'ny rakitra. 


VOKADEHIBE 2024

  • Alahady 01 septambra 2024

Hotanterahina amin'ny 5 - 6 Oktobra ho avy izao ny VOKADEHIBE 2024. Hetsika fanaon'ny Fiangonana isan-taona hahatratrarana tanjona iray ka hanateran'ny Kristiana rehetra izay vokatra misy any aminy. Hisy noho izay ny fanateram-bokatra izay hatao lavanty ary hisy ihany koa ny valopy hozaraina. Amin'ity taona ity dia mety hisy ireo hetsika maro samihafa hoentina hanamarihana izany.

Napetraka noho izay ny Komity hitarika amin'ny fikarakarana izay vokadehibe 2024 :

-Filoha : RANDRIAMANANTSOA Roclain

-Mpitantsorara : ELY Mamy

-Mpitambola: FANJASOA

Ireto kosa ireo ekipa hiara-hiasa amin'izy ireo : 

-Eugène-Dr Fidy-Lanto Gideona

-Tonton Henri-Olisson Ratovo

-Sylvie Razanatina-Fanja Sarah

-Solofanja-Rado-Barinjaka-Hery

-Falihery-Lanto-Rafanirisoa-Elysé-Rabearisoa- Ony-Arsène- Celestin- Kaurent.


-

Birao SLK FOIBE

Vita soamantsara ny Zaikaben'ny SLK FJKM natao tao amin'ny FJKM Zoara Vatomandry - SP 32 Kristy Fanantenantsika Toamasina Atsimo izay natao ny 06 - 08 aogositra 2024 teo. Tafapetraka ihany koa ireo lehilahy kristiana mandrafitra ny Birao SLK Foibe.

Voafidy hiandraikitra ny toeran'ny mpanolotsaina i TOTOFENO Theis Elia, Mpitandrina eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V. Efa nitaozana io toerana io izy nanomboka tamin'ny taona 2020, dia izao izy mbola voafidy izao indray.

Mankahery azy sy ny birao SLK Foibe amin'ny asa sy andraikitra rehetra napetraky ny Tompo amin'izy ireo

Fiarahabana ireo tanora afaka tamin'ny fanadinana bakalôrea

  • Alahady 25 aogositra 2024

 Niarahaba sy nitsotrano azy ireo ny Biraon'ny Fiangonana notarihin'ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia. Ny Tenin'Andriamanitra tao amin'ny Joba.6:8 no nampaherezana azy ireo mba ho tonga amin'ny tanjona izay iriny. "Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!" — Joba 6 : 8 

Nankahery izay tsy nahomby ihany koa mba tsy ho kivy fa hametraka ny fiainany sy ny fianarany mandrakariva amin'Andriamanitra.

LAUREATE BEPC 2024

  • Alahady 21 jolay 2024

RATOVO Olissen Samirah. Izy ilay tovovavy nahazo ny salan'isa 18.72 izay salan'isa ambony indrindra tamin'ny fanadinana BEPC Taona 2024 teto amin'ny fari-piadidim- pampianarana Toamasina I (CISCO I) ka nahazoany ny Lauréate BEPC 2024 - CISCO Tamatave I. 

Izy dia mpianatra Sekoly Alahady eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V ary mpianatra ao amin'i CEG de Référence. 

Niarahaba sy nitsodrano azy ny Mpitandrina TOTOFENO Theis Elia sy ny Biraon'ny Fiangonana.

Fankasitrahana ny Komity Mpikarakara ny Fifidianana

  • Alahady 21 jolay 2024

Nifarana tamin'ny famoahana ny valim-pifidianan'ny Diakona ny asan'ny Komity Mpikarakara ny Fifidiana, teto amin'ny FJKM Betela Tanambao V notarihan'Atoa RABEARIMANANA Jean, izay nahita solontena avy amin'ny sampana sy ny sampan'asa.

Raha tsiahivina dia ny Biraon'ny Synodam-paritany no nampijoro sy nampiofana ny Komity rehetra isam-pitandremana. Izy ireo no tompon'andraikitra tamin'ny fandaminana sy nanatanteraka ny Fifidianana ny Birao teo anivon'ny sampana, ny sampan'asa ary ny fifidianana Diakona.

Nankasitraka azy ireo ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia sy ny Biraon'ny Fiangonana ary ny Mpandray Fanasan'ny Tompo tamin'ny ezaka nataony. Niara niasa tamin'izy ireo ny Katekomena 2024 tamin'ny fanatanterahana ny Fifidianana Diakona.


Fitondrana amim-bavaka ireo hiatrika ny fanadinana bakalorea 2024

  • Alahady 21 jolay 2024

Hanomboka ny alatsinainy 22 jolay ka hatramin'ny alakamisy 25 jolaly ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. Maro ny zanaky ny Fiangonana no hiatrika izany. Najoro teo anatrehan'ny Fiangonana izy ireo mba hoentina amim-bavaka sy hampaherezana. Nanatanteraka izany ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia.

Ny Tenin'Andriamanitra natolotra azy ireo dia izay voasorantra ao amin'ny bokin'ny Isaia. 41:10 : "Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho."

Fiarahabana ireo mahatsiaro  tsingerintaona volana jolay 2024

  • Alahady 14 jolay 2024

Toy ny fanao isaky ny alahady faharo amin'ny volana dia najoro indray ireo kristiana mahatsiaro tsingerintaona  nandraisany fahasoavana manokana amin'ity volana Jolay ity.

Nitondra amim-bavaka azy ireo ny Mptandrina TOTOFENO Théis Elia.

FANEHOANA IREO MPIANATRA KATEKOMENA 2024

  • Alahady 14 jolay 2024

Naseho ny Fiangonana, araka ny foto-dalana FJKM, ireo mpianatra Katekomena vaovao amin'ny taom-pianarana 2024. Isaky ny sabotsy maraina izy ireo no mianatra ary efa misy ny karatra hamantarana ny mpianatra tsirairay sy hametrahana ny mari-pahatongavana amin'ny fiatrehina ny fampianarana.. Marihina fa tsy maintsy mihatrika ny fanompoam-pivavahana izy ireo isaky ny Alahady amin'ny fanompoam-pivavahana faharoa raha tsy misy antony manokana amin'ny tsy fahafahana.

Any amin'ny volana Novambra no hiatrika ny fanadinana izy ireo. Amin'ny volana desambra kosa ny fanokanana.

Mirary soa sy fahombiazana azy ireo.

FIARAHABANA IREO AFAKA FANADINANA BEPC

  • Alahady 14 Jolay 2024

Misaotra an'Andriamanitra va vita soa aman-tsara ny fanadinana BEPC 2024 na dia nisy asa aza ireo olana maro samihafa natrehin'ny mpiadina. Maro ny zanaky ny Fiangonana no nahatafita soa iny fanadinana iny ka naseho teo anatrehan'ny Fiangonana. Niarahaba azy ireo ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia sy ny Biraon'ny Fiangonana. Nivavaka sy nitsodrano azy ireo ny mpitandrina mba hitohy hatrany izany fahombiazana izany amin'ny hoavin'izy ireo.

Nankahery ireo izay tsy afaka tamin'iny BEPC iny ihany koa ny Mpitandrina mba tsy ho kivy fa hivavaka hatrany hametraka ny fiainany eo am-pelatanan' Andriamanitra.

Raha ny vokatra tao amin'ny Sekoly FJKM Thomas Bevan indray dia nahatratra 67% ny salan'isa tamin'ny fahafahan'ny mpianatra.

FANEHOANA IREO MPIKAMBANA VAOVAO AO AMIN'NY BIRAON'NY FIANGONANA

  • Alahady 30 jona 2024

Nisy fahabangana ny toerana tao anatin'ny biraon'ny fiangonana noho ireo mpikambana sasany nahato tamin'ny asany. Koa satria tsy mbola vita ny fifidianana diakona dia nisy ny fanendrena olona vaovao hisolo toerana azy ireo. 

Ireto àry ireo mpikambana vaovao hiara-hiasa amin'ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia ao anatin'ny Biraon'ny fiangonana manampy an'i ANDRIAMAMPITOVY Henri, any sisa tafajanona tamin'ny mpikambana teo aloha, ka mitana ny toeran'ny mpitantsoratra ankehitriny :

Mpitahiry vola : Ranaivoson Lantonirina Gideon

Mpanolotsaina : Ratsimanarison Rosette

Mpitantsoratra ny vola :Rakotonirina Barinjaka

Nitondra amim-bavaka sy nankahery azy ireo ny mpitandrina TOTOFENO Théis Elia.

FANDRAISAN-TANANA IREO BIRAO VAOVAON'NY SAMPANA

  • Alahady 30 jona 2024

Ny filohan'ny Komity Mpikarakara ny fifidianana amin'ny fanavaozana ireo tompon'andraikitra rehetra eto amin'ny FJKM Betela Tanambao, Atoa RABEARIMANANA Jean no nanolotra ireo mpikambana vaovao ao anatin'ny Biraon'ny Sampana sy ny Rantsana. 

Misy ireo sampana valo (8) ao amin'ny FJKM ny eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V (SSA, STK, SLK, SAFIF, DORKASY, VFL, SVM, SAMPATI). Ny STK dia mirantsana telo ka ahitana ny Antokompihira AKON'I BETELA, Ny ANTEMAFI (tanora zoky), ny SBT (fanatanjahan-tena). Ao amin'ny SAFIF dia ahitana ny rantsana antokom-pihira fifohazana AKON'NY FANDRESENA.

Ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) no tsy mbola nahavita ny fifidianana ny biraony tamin'io fotoana io.

Ny biraon'ny fiangonana notarihin'ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia no niarahaba sy nitondra amim-bavaka azy ireo. Nankahery azy ireo tsy hiala na hihemotra na inona na inona mitranga fa haharitra hatramin'ny fe-potoana farany. Marihina fa maharitra 4 taona ny taom-piasan'ireto birao vaovao ireto (2024-2028). 

Fanovana ny ora fidirana amin'ny fanompoam-pivavahana

Rehefa nandalo teo amin'ny mpihevidraharaha ireo hevitra novolain'ny biraon'ny Fiangonana dia nentina teo anetrahan'ny fivorian'ny mpandray fanasan'ny Tompo tamin'ny fotoanan'ny Ankatoky ny fandraisana notanterahina ny Sabotsy 29 jona. 

Niova araka izao manaraka izao ary ny ora fidirana eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V manomboka ny Alahady 07 jolay 2024 : 

  • Fanompoam-pivavahana voalohany : 6ora maraina
  • Fianarana sekoly alahady : 8 ora - 9 ora 
  • Fanompoam-pivavahana faharoa : 9 ora
  • Fotoan-kariva : 4 ora

-Alahady voalohany : tsy misy fa miatrika ny lohavolana eto amin'ny SP 31 Faritra afovoany.

-Alahady faharoa : fanompoam-pivavahana arahana fotoam-pifohazana

-Alahady fahatelo : Fanompoam-pivavahana araha fandraisana ny fanasan'ny Tompo.

-Alahady fahahefatra : Fotoana malalaka (fanompoam-pivavahana na hetsika hafa)

  • Ankatoka ny fandraisana : Alahady farany amin'ny volana ka misy ankatoka aorian'ny fanompoam-pivavahana voalohany sy faharoa.

Fanamarihana :

-Afaka miatrika ny ankatoka avy hatrany aorian'ny fanompoam-pivavahana voalohany ireo mpivavaka amin'ny fanompoam-pivavahana faharoa fa tsy maintsy miatrika ny fanompoam-pivavahana rehefa vita ny ankatoka.

-Misy hatrany ny fianarana sekoly alahady rehefa vita ny ankatoka amin'ny fanompoam-pivavahana voalohany ka mihemotra amin'ny 10 ora ny fidirana amin'ny fanompoam-pivavahana faharoa.

Fitondrana amim-bavaka ireo ankizy hanala fanadinana BEPC 2024

  • Alahady 30 jona 2024

Najoro teo anatrehan'ny Fiangonana ireo ankizy hiatrika ny fanadinana BEPC hanomboka ny Alatsinainy 01 jolay ka hatramin'ny Alakamisy 04 jolay 2024.

Ramatoa vadin'ny Mpitandrina, Pasteur Julienne no nivavaka ho azy ireo mba ho tafita soa amin'izany fanadinam-panjakana izany. Mirary soa sy fahombiaza ho azy ireo ihany koa isika.

Fiarahabana ireo ankizy afaka fanadinana CEPE 2024

  • Alahady 30 jona 2024

Misaotra an'Andriamanitra fa maro ny zanaky ny Fiangonana afaka fanadinana CEPE tamin'ity taona 2024 ity. 100% ny vokatra tao amin'ny Sekoly FJKM Thomas Bevan; izay sekoly ahian'ny Fitandremana Betela Tanambao V. 

Najoro teo anatrehan'ny Fiangonana ireo ankizy afaka fanadinana. Niarahaba sy nitondra amim-bavaka azy ireo ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia, ary nitsodrano ahy izy ireo ho tafita sy ahita fahombiazana hatrany amin'ny dingana manaraka rehetra mbola hatrehin'izy ireo.

Vavaka ho an'ny ankizy hanala fanadinana

  • Alahady 16 jona 2024

Nitondrana amim-bavaka ireo mpianatra hanala ny fanadinana ara-panjakana CEPE. Ny talata 18 jona no hanatanterahana izany manerana ny nosy; ka tsy diso anjara amin'izany ny Sekoly FJKM ka ao anatin'izany ny Sekoly FJKM Thomas Bevan izay sekoly ahian'ny Fiangonana FJKM Betela Tanambao V.

Ny Sampana Sekoly Alahady FJKM ihany koa dia hanatanteraka ny fanadinana iombonana amin'ny Alahady 23 jona 2024. Mandray anjara amin'izany ireo mpianatra eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V ka najoro sy nivavaka ho azy ireo ihany koa ny Fiangonana tamin'io Alahady io.

Ny Tenin'Andriamanitra natolotry ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia nentina nampaherezana azy ireo dia izay voasoratra ao amin'ny Ohabolana 6:3 "Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao." — Ohabolana 16 : 3.

Mirary soa sy fahombiazana ho azy ireo isika. Ny Tompo homba sy hampahery!

FETIN'NY RAY

  • Alahady 16 jona 2024

Nankalaza ny Fetin'ny Ray manerantany ny Fiangonana FJKM Betela Tanambao V; ka niarahaba sy nivavaka hoan'ireo raim-pianakaviana rehetra tonga niatrika ny fanompoam-pivavahana. Noarahabaina manokana ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia, ray ara-panahy iombonan'ny kristiana rehetra eto amin'ny Fiangonana. 

Nitrotro am-bavaka azy ireo ny Mpitandrina ary ny Tenin'Andriamanitra natolotra azy ireo dia : "Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery". — Mpitsara 6 : 12 sy "Indro, fa toy izay ny hitahiana izay lehilahy matahotra an'i Jéhovah" (Salamo 128:4)

Nisy ihany koa ny hira natolotry ny sampana sekoly alahady.

Ny Tompo homba sy hiaro azy ireo amin'ny adidy sy andraikitra tanterahan'izy ireo eo anivon'ny Fianakaviana sy ny Fiangonana.

Fandraisan'ny Fiangonana ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia mivady

  • Alahady faha 9 jona 2024

Fandraisan'ny Fiangonana ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia mivady. Nanotrona izany Ramatoa vadin'ny Prezida Synodaly Ilaka Est SP 32, sy ny solontenan'ny Biraom-piangonana avy ao amin'ny FJKM Zoara Vatomandry, izay nisy azy teo aloha.

Tamin'io alahady io no nitoriteny voalohany teto amin'ny FJKM Betela Tanambao V ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia, ka ny Efesiana 4 : 11 - 16 no nakany ny hafatra tamin'izany. Hatao ho zava-dehibe ny firaisana sy ny fiombonana ary ny asa ho famerenana an'ny FJKM Betela Tanambao V amin'ny toerana misy azy hisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra ao amin'ny fiainan'ny Fiangonana.

Pasteur SAONINA

                               FDL                                                                        

Ramatoa Vadin'ny Prezisa Synodaly SP 32

Biraom-piangonana

               Mpianatry ny sekoly                FJKM Thomas Bevan

Pateur Julienne, vadin'ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia

Hivavaka eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V ny Prezida Synodaly, Mianakavy

  • Alahady faha 2 jona 2024

Nambaran'i Barinarivo Rajosoa, Mpitandrina, Prezida Synodaly SP 31 Toamasina Vavahadin'ny Filazantsara SP 31; fa eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V Toamasina izy mianakavy no hivavaka.

Tamin'ny Alahady 26 may 2024 no nametrahana azy ireo tamin'ny fombam-piangonana ho Prezida Synodaly vaovao eto amin'ny SP 31.

Niarahaba azy ireo ny Biraon'ny Fiangonana notarihin'ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia, niaraka tamin'ny solontenan'ny Biraon'ny Synodamparitany.

Miarahaba azy ireo tongasoa eto amin'ny FJKM Betela Tanambao V Toamasina. Ny Tompo homba sy hiaro anareo amin'ny asa niantsoany anareo eto amin'ny Synodamparitany.

Fankasitrahana sy fanaovam-beloma ny Mpitandrina RALAMBOMAHAY Hendrinosy

  • Alahady faha 2 jona 2024

Fankasitrahana sy Fanaovam-beloma ny Mpitandrina délégué Hendrininosy Ralambomahay niasa teto amin'ny FJKM Betela Tanambao V Toamasina nandritra ny iray volana.

Nitantana ny fanompoam-pivavahana ny Biraon'ny Synodam-paritany Toamasina Vavahadin'ny Filazantsara SP 31; notarihin'ny Filoha Synodaly, Barinarivo Rajosoa, Mpitandrina.

"Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy"

II Timoty 4 : 17

Fanolorana ny Mpitandrina TOTOFENO Théis Elia

  • Alarobia faha 22 Mey 2024 

Fanolorana an'i TOTOFENO Théis Elia, Mpitandrina; teo anatrehan'ny mpihevi-draharahan'ny FJKM Betela Tanambao V

Nanatitra azy ny Tonian'ny Departementan'ny Fiangonana, Foibe FJKM, Robson Radolalaina Johary , Mpitandrina. Nanotrona izany : 

-Ny Mpitandrina Délégué Ralabomahay Hendrininosy

-Ny Synodam-Paritany notarihin'ny Prezida Synodaly vaovao SP. 31, Barinarivo Rajosoa , Mpitandrina.

-Ireo Mpiandraikitra Foibe avy eto amin'ny SP 31,

-Ireo Mpitandrina avy any amin'ny SP 32,

-Ireo Mpitandrina avy eto amin'ny SP 31,

-Ny Mpihevidraharaha eto amin'ny Fitandremana Betela Tanambao V .

Archives
Articles récents
Commentaires récents