Vondrona Fototra Laika
· Anarany: VONDRONA FOTOTRA LAIKA (VFL)
Ny atao hoe LAIKA dia midika hoe vahoakan’ Andriamanitra, ny kristianina rehetra dia tokony ho laika avokoa, fa ny sampana dia napetraka ihany mba ahafahan’ny hantanteraka asa fanompoana.
· Daty niorenany:
Tamin’ny andron’I Pasteur RAMANAMBAZAHA no niorina ny VFL, tsy voafaritra mazava tsara ny daty, Dr RAKOTOZAFIMAHERY ny Filoha tamin’izany ary Diakona vitsivitsy no mpikambana tao izay niara-niasa taminy
· Asa sahaniny:
Mitarika ny vahoakan’Andriamanitra mba hanatanteraka ny asa fanompoana mivaingana satria tsy misy ny finoana raha tsy arahina asa .
Mizara Tenin’Andriamanitra, manao fampianarana
Mijoro vavolombelona
Mifampitondra am-bavaka
· Zava-kemdreny:
– Hiara iasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana samihafa ananany.
– Mitaona ny olona handeha hivavaka (ondry very); miantso sy mitarika izay tsy mbola ao anaty sampana.
– Tohana ho an’ny foibe FJKM, synodam-paritany, Fitandremana
– Miasa eo anivon’ny Fiangonana, ny fiaraha-monina, ny firenena.
– Miara-miasa amin’ny Mpitandrina ka mandray anjara amin’ny asa fitoriana.
· Tanjony:
Ny tanjony tamin’izany dia ny hanangana “Akany” zay ampiasaintsika amin’izao fotoana izao
2020: fampitomboana arak’isa ny mpikambana (41), fampitomboana ara-pinoana
· Ireo filoha nifandimby:
Avant 1986 : Dr RAKOTOZAFIMAHERY
1986 – 2014 : RASOLOHERY Jean
2014- 2021 : RAHARISOA Lalaina
· Mambra ao amin’ny birao (2014- 2024) :
Filoha : RAHARISOA Lalaina
Filoha mpanampy :Dr FIDY
Mpitahiry vola : PERLINE
Mpitan-tsoratry ny vola : BERNADETTE
Mpitan-tsoratry ny fivoriana : LALAINA Herisoa
Mpanolo-tsaina : ODILE
· Vanim-potoana nanamarika ny fiainan’ny sampana:
- 09 Septembre 2007 : Fanokanana Fiangonana FJKM Ambodiriana
- 2016: Nanampy ny Fiangonana tany Ambodiriana, ka nanome azy ireo dabilio miisa 20 sy fampitaovana madinidinika.
- 22 Avril 2018: fankalazana ny faha 30 taona nioerenan’ny sampana
· Asa vitany (anatiny sy ivelany):
- Niara-niasa tamin’ny Mpitandrina, nandray anjara tamin’ny asa Fitoriana ny Filazantsara
- Nanampy ny Fiangonana tamin’ny fananganana foto-drafitrasa ny sampana
- Nanampy ny Fiangonana FJKM Mahambo (Synodam-paritany Fénérive Est), namangy isam-bolana
- Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanorenana ny Fiangonana FJKM Ambodiriana zay ravan’ny “cyclone”. Noezahina mitovy endrika amin’ny Fiangonana FJKM Betela Tanambao V izany, nolazaina fa Betela 2.
- Nandray anjara tamin’ny asa fanitarana ny Fiangonana FJKM Betela
- Nanao Tafika Masina
· Mpitandrina Mpiahy : Pasteur RIVO
· Fotoanan’ny sampana:
Isaky ny alatsinainy hariva amin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva hatramin’ny 7ora eto amin’ny Fiangonana: misy ny fizararana Tenin’Andriamanitra amin’izany, ny fampianarana, fijoroana vavolombelona ary koa ny fifampitondrana ambavaka mandritra ny alatsinainy mifandimby.